FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Tafatsangana ny Biraon’ny Taranaka sy Zanaka am-pielezana

Tontosa ny alahady voalohany tamin’ny volana aogositra 2023 ny fitrotroana am-bavaka ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana teto anivon’ny fitandremana Katedraly Analakely. Novelabelarin’ny filohan’ny fikambanana ny vinavinan’asa mandritra ny taom-piasana manaraka. Mba tsy ho tompon-trano mihono isika dia taterina amintsika etoana ny andinindininy.

Zava-dehibe ny mitondra ny fanilom-pamonjena ho an’ireo taranaka

« Ifandovan’ny taranaka mifandimby ny famonjena ». Izay no votoatin’ny hafatry ny mpitandrina Ravelosoa Mickael nandritra ny fandraisam-pitenenany ny alahady 6 aogositra lasa teo izay natokana mba hitondrana am-bavaka ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana. Tsy ny tenantsika irery mantsy, hoy izy, no tian’Andriamanitra handova ny famonjena fa ireo silaky ny aintsika ihany koa. “Minoa an’i Jeso Kristy, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao” (Asa 16:31), hoy ny valin-tenin’i Paoly sy Silasy tamin’ilay mpiambina romana. Nohamafisin’ny Tompo izany ao amin’ny Asa32-38-39: “Ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo, na iza na iza antsoin’I Jeso Kristy Tompontsika hanatona Azy”. Izany indrindra no anton’izao alahadin’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana izao satria adidy ifanakonana ny fampitana ny finoana sy ny fotom-pampianarana marina ho an’ireo zanaky ny fitandremana mba ho tonga lehilahy sy vehivavy lehiben’ny finoana izy ireo na dia efa niala lavitra ny ati-lavaka izay nihadiana azy aza.

Fikambanan’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana

Noharahabain’ny fiangonana am-pahibemaso ny biraon’ny Fikambanan’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana ka toy izao ny mandrafitra izany :

Filoha : Ramatoa RAZAFIMAHAZO Maryse Danielle Lala

Filoha mpanampy : RASOLOMANANA Tsiry Aina sy RAMANANTSOA Lalaina

Mpitan-tsoratra : ANDRIANIRINA Voahangy Faratiana

Mpitahiry vola : RAZAFINDRATSIMA Saholy Haingo

Mpitan-tsoratry ny vola : ANDRIANIRINA Voahirana Louise Emilie

Mpanolo-tsaina : RATSIFASOAMANANA Rvaloson Lala, RASAMOELY Tinà, RAKOTONDRAMBOA Rina ary RAVELOSON Andry

Raha tsiahivina fohifohy ny tantara dia tamin’ny taona 2021 no niorina io Fikambanana io teto anivon’ny fitandremana FJKM Katedraly Analakely izay miahy manokana ny taranaky ny fiangonana rehetra na ny eto an-toerana na ny miely patrana any am-pitan’ny ranomasina. Nifanojo tamin’ny fetin’ny jobily faha-160 taonan’ny fiangonana no niposahan’ilay hevitra hanorenana ny Fikambanana. Tsy mbola rafitra mahaleo tena izy tamin’izay  fa vaomiera ao anatin’ny komity mpikarakara ny taon-jobily.

Mazava ny fandaharan’asa amin’ny taom-piasana ho avy

Ankoatran’ny fampivondronana ireo zanaky ny fiangonana miely patrana dia manao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra amin’ny fiangonana ny Fikambanana mba hanampy araka izay ilaina. Nanome toky moa ny filoha fa lohalaharana ao amin’ny fandaharan’asany:

  • ny fampitaovana lakolosy vaovao ho an’ny fiangonana, ho solon’ilay tranainy izay nilatsaham-baratra ;
  • ny fizarana taratasy ho fanisana ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana eto anivon’ny fiangonana ; ary
  • ny fanatanterahana fanompoam-pivavahana isan-telo volana ho fitaizam-panahy sy fampaherezana ireo taranaka.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email