FJKM KATEDRALY ANALAKELY

TAFIKA MASINA TSIROANOMANDIDY LEHIBE

“Mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. “Marka 16: 15b

Notontosaina ny 16-17-18 / 05 / 2023 ny TAFIKA MASINA TSIROANOMANDIDY LEHIBE.Fivondronana ANDRIAMPOTSY.NY FITANDREMANA MIADAMPAHONINA, ivondronan’ny tanàna telo antsoina hoe Miadampahonina sy Ikianjasoa ary Miadamandroso no toerana nanaovana ny TAFIKA MASINA. Eo Tsiroanomandidy tampotanàna no mianavaratra manaraka lalantany mirefy 80 km izay ataon’ny fiara tsimataodalana ora dimy no misy ny Fitandremana Miadampahonina.

Niainga teto Analakely tamin’ny 6ora sy sasany katroka ny mpiantafika ny 15-05-23, nigadona tao Tsiroanomandidy tamin’ny 11 ora nanao fiantoana kely, sady nifamotoana tamin’ i Pasitera Sitraka Mpitandrina ny Fitandremana Miadampahonina, fa izy rahateo no mpanalalana anay nandeha moto.

Niditra ny tanànan’i Miadampahonina ny mpiantafika tamin’ny 8 ora alina. Fitsenana nakotrokotroka notarihan’ny Katekista no niantsenaina ny mpiantafika na dia teo aza ny aizina sy ny rivotra mamanala.Tao amin’ny trano fiangonana no nanaovana ny fandraisana narahana fifandimbiasam-pitenenana, ary niafara tamin’ny fampisakafoana ny mpiantafika.Ny andron’ny 16-05-23 sy 17-05-23 no nanatanterahana ny Tafika Masina.

Natomboka tao Ikianjasoa izay ahitana 200 tafo ny andro voalohany. I Miadamandroso sy Miadampahonina kosa ny andro faharoa izay misy 400 tafo eo ho eo.Notsinjaraina vondrono dimy, izany hoe nandeha tsiroaroa ny mpiantafika, sady novoriana andiany maromaro ny isan-tokantrano, hany ka na vitsy aza ny mpiasa, dia be ny vokatra: olona miisa 800 eo no nanaiky nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ary mino sy manantena ny fiainana mandrakizay eo anilan’ny Ray.

Ny 18-05-23 no nankalazana ny ANDRO FIAKARANA, sady natao ALAKAMISIN’NY MPITANDRINA. Ny SA AFF no nanatontosa ny litiorjia iray manontolo. Rehefa izay dia nisy ny lavantim-bokatra narahana ny fanolorana fanomezana avy aty Fitandremana Katedraly Analakely hoan’ny Fitandremana Miadampahonina. Nifarana tamin’ny fiarahana misakafo ny fotoana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email