Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

Album « Mitafy anao », io no namarana ny fankalazana

« ..Ary nomban’Andriamanitra ny zaza dia nitombo izy…..Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. » Genesisy 21, 20 /Salamo 147,1b Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa vita ary nikatona ny Alahady 19 novambra 2023 ny fankalazana ny faha-dimy taona ny Antoko Mpihira TAFIKA MIANTSA ka ny famoahana ny album « Mitafy anao » no namaranana izany tamin’ny alalan’ny concert de […]

FIFANINANA LOGO SY HIRA FANEVA : FAHA-140 TAONA NY SEKOLY ALAHADY

‘’Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo’’Ho fanomanana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 140 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady eto amin’ny Katedraly Analakely , ny Komitin’ny fankalazàna dia mampanao fifaninanana Hira Faneva sy Sary Famantarana(Na logo).

FIHAONAMBEN’NY SAMPANASA AFF : MANAO MPIANATRA

Tontosa tany Ambanja ny faha-14 ka hatramin’ny 17 septambra 2023 lasa teo ny fihaonamben’ny sampanasa AFF izay nahitana mpizaika 900 avy amin’ny synodamparitany 36 manerana ny nosy. 14 no isan’ny solontenan’ny sampanasa AFF avy amin’ny FJKM KATEDRALY ANALAKELY, izay notarihin’ny Filohany dia Andriamatoa RAMANANTSOA Lucien.

GASY TSARA TOA AZY : AMA-SLK-TAFIKA no hisolo tena antsika amin’ny famaranana

Hetsika fanaon’ny sampana FIFOHAZANA isan-taona ny fifaninana hiraisan’ny fiangonana ka tanterahina isaky ny iray volan’ny sampana. GASY TSARA TOA AZY no nampitondraina ny anarany tamin’ity taona 2023 ity ka niavaka ny fifaninanana satria samy nanao ny fifanintsanana aloha ny isam-piangonana ary ny 29 oktobra 2023 kosa ny famaranana.