FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ny Rafitra sy ny Fitsipika ary Fomba Fitondrana eo anivon’ny Fiangonana FJKM

Maromaro amintsika mpino FJKM no tsy mahalala ny rafitra sy ny fitsipika ary fomba fitondrana eo anivon’ny fiangonana FJKM amin’ilay Presbyteriana Synodaly

PRESBYTERIANA SYNODALY (Fintinina tsotsotra)
Fampahafantarana kely: Endri-pandaminana Presbyteriana Synodaly no tapaky ny Synoda Lehibe Voalohany nanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (F.J.K.M.) tany Toamasina tamin’ny Aogositra 1968 ary dia mbola voarakitra ao amin’ny Fotodalàn’ny F.J.K.M. izany mandraka androany, izay rafitra nolovaina t@ MPF (Mission protestante Française)
Ny fototra iorenan’io “endri-pandaminana” io dia ny II Petera 2, 9 : “Fa ianareo kosa dia fanaka voafidy, ‘fanjakà mpisorona, firenena masina’…” izay MAMPITOVY LENTA NY “MPINO” rehetra eo anatrehan’ny Tompo, ao am-piangonana ! Io “fanjakà-mpisorona” (sacerdoce universel) io dia ny “demôkrasia mivantana” any ifotony no iainan’ny “kongregasionalista” izany ka isaloran’ny “Fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo” ny fahefana fara-tampony ao amin’ny Fitandremana, fa ho an’ny “presbyteriana synodaly” dia ahitana fandaminana mifanao “ambaratonga” : mifidy “loholona” na Ok”presbyteros” (na “diakona”) ny Fivorian’ny Mpandray ka ireo Loholona/Diakona ireo no mitantana ny Fitandremana ary ny Mpitandrina dia iray amin’ny “Loholona” fa ny anjara asa fanompoana izay nanokanana azy no mampiavaka azy satria ny “fitandremana ny Tenin’Andriamanitra” (fampianarana Soratra masina sy toriteny ary ny ftantanana am-pahamarinana ny sakramenta) ! Koa ny fanapahan-kevitra dia ny “Mpihevidraharaha” ao amin’ny Fitandremana no manapaka azy (ato @ FJKM dia mbola entina ankatoavin’ny Fivorian’ny Mpandray |izay “fahefana fara-tampony” ao amin’ny Fitandremana, tahaka ny ao amin’ny kongregasionalisma ihany]) !Fa tsy misy fanapahan-kevitra momba ny “fitantanan-draharaha” azo avoaka ka tanterahina raha tsy mandalo ireo ambaratonga ireo, na aty ifotony na any an-tampony (Foibe) mandalo ny S.P. !
ANDRIAMASINORO Eliezera

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email