FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ny Protestantisma

Fampahatsiahivana
Ny FJKM dia Fiangonana « Réformé », protestanta, teraka avy amin’ny fanitsiam-pivavahana (Réforme) niseho tany Eoropa 500 taona lasa izay.
I Martin Luther no nanomboka izany fanitsiana izany rehefa nahita fa maro ireo fampianaran’ny fiangonana katôlika no tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina.

Fa i Jean Calvin kosa no loharano nipoiran’ny Fiangonana « Réformé ».

Ireto avy ireo hevi-dehibe fito ny protestantisma :

1- « Sola gratia » na « ny fahasoavana irery ihany » :
▶ Mpanota ny olona rehetra eo anatrehan’Andriamanitra
▶Kanefa noho ny fitiavan’Andriamanitra azy dia anehoan’Andriamanitra ny fahasoavany izy
▶ Tsy noho ny ezaka ataontsika no maha-voavonjy antsika fa noho ny : «FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA»
▶ Omen’Andriamanitra maimaim-poana ho antsika ny fahasoavany noho ny fitiavany antsika

2 – « Sola fide » na « ny finoana irery ihany » :
▶ Ny finoana irery ihany no antoky ny Famonjena
▶ Ny finoana dia fandraisana sy fanekena an’i Jesoa Kristy hitoetra ao anatintsika
▶ Ny finoana marina dia izay miorina amin’izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly
▶ Amin’ny alalan’ny finoana irery ihany no ahazoana ny famonjena fa tsy amin’ny fotokevitra sy ny asa soa ataon’ny olona

3 – « Sola scriptura » na » ny Soratra Masina irery ihany » :
▶ Ny Baiboly na ny Soratra Masina no mirakitra ny Tenin’Andriamanitra
▶ Ao no mirakitra ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany ary loharanon’ny finoana protestanta
▶ Ny Baiboly dia mirakitra ny fampianarana avy amin’Andriamanitra fa nosoratan’olombelona kosa
▶ Manondro an’i Jesoa Kristy avokoa ny boky ao amin’ny Baiboly
▶ Ny fitsipi-pitondran-tena ny mino dia faritan’ny Soratra Masina
▶ Ny Tenin’Andriamanitra no tompon’ny fahefana ao am-piangonana

4 – « Solus Christus » na « Jesoa irery ihany » :
▶ I Jesoa Kristy irery ihany no Mpanalalana (mpanelanelana) ny olona amin’Andriamanitra
▶ I Jesoa Kristy irery ihany no lohan’ny fiangonana
▶ Tsy misy afa-tsy ny finoana an’i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo hamonjy izao tontolo izao, maty sy nitsangana tamin’ny maty ihany no ahazoana Famonjena

5 – « Soli Deo Gloria » na « Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra » :
▶ Andriamanitra irery ihany no masina sy marina
▶ Tsy misy olona afaka hilaza fa masina sy marina kokoa mihoatra ny hafa
▶ Izay rehetra atao na ny fiainantsika dia ho voninahitr’Andriamanitra
▶ Mitaiza antsika hahay manetry tena izany ka ho fiainantsika ny mankalaza sy midera ny Tompo
▶ Manao asa tsara fa tsy kitoatoa ho voninahitr’Andriamanitra fa tsy ho filan-dera sy ho fisehosehoana

6 – « Ecclesia semper reformanda » na « Mihavao hatrany ny Fiangonana » :
▶ Ny Fiangonana sy ny fombany ary ny fampianarany dia havaozin’Andriamanitra sy mihavao mandrakariva nohon’ny asan’ny Fanahy Masina
▶ Na ny endriky ny fiangonana, na ny rafitra sy ny fombany, na ny foto‐pampianarany dia mety ho simba sy hiova ho ratsy
▶ Fa ny Protestanta dia resy lahatra ho amin’ny fiovana ho tsara mandrakariva
▶ Sady miezaka ny hitsikera-tena ary manaiky hahitsy ny Fiangonana mba hivoarany amin’ny tsara kokoa

7 – « Sacerdoce universalis » na « Fanjakam-pisorona » :
▶ Tamin’ny andron’ny Jiosy tao amin’ny Testamenta Taloha, dia ny mpisorona be sy ny mpisorona no mifona ho an’ny olona ary manao fanadiovana (purification) mba handraisan’ny olona famelan-keloka
▶ Fa amin’ny protestant kosa dia ny kristianina tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia « mpisorona » avokoa fa tsy ny mpitondra fivavahana ihany (pasitera, môpera….)…tsy manao confession.
▶ Ny kristianina tsirairay izany dia afaka mifona ho an’ny tenany mivantana eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, nefa koa mivavaka ho amin’ny hafa mba handraisany ny famelan-keloka noho ny famindram-pon’Andriamanitra.

Pasteur Eliezera

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email