FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Fikatonan’ny Fiangonana -Mpitandrina 54 no nomena fanampiana

“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Jaona 13:34 -35

Misaotra ny Tompo fa vita ny fizarana ireo vola voaangotsika ho fanampiana ireo Mpitandrina eto anivon’ny SPIA-19. Ny Biraom-piangonana FJKM mihintsy no nizara izany mivantana tamin’ny Mpitandrina miisa 54.

Nisy fandaminana vaovao natao niaraka tamin’ny birao SPIA -19 satria raha 24 no isan’ny Mpitandrina nokasaintsika notolorana dia nambaran’ny birao SPIA-19 fa 54 ireo sahirana mila fanampiana koa mba tsy hisian’ny fiangarana dia nozaraina tamin’ireo Mpitandrina 54 ireo ny vola voaangotsika ka nahazo 100.000 Ariary isaky ny olona izy ireo

Nisy andiany roa tamin’izany ka :
– ny talata 12/05/2020 dia Mpitandrina miisa 24 no nizarana ny anjarany
– ny zoma 15/05/2020 kosa dia Mpitandrina 30 no nizarana ny anjarany

Nazavain’ny Prezida Synodaly fa misy fiantraikany lehibe ny fikatonan’ny fiangonana noho ity valan’aretina ity satria vitsy ny fiangonana no mahaefa ny adidy ao amin’ny kitapo iombonana, izay fanohanana ireo Mpitandrina eo anivon’ny SPIA. Antso avo no hatao mba hitohy ny fanohanana azy ireo avy amin’ny fiangonana sy ny Kristiana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email