FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Fanampiana ho an’ireo Akany fanabeazana sy fitaizana

Fa hoy ny Soratra Masina : “Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” Matio 25:40

Isaorana ny Tompo fa vita ny fanaterana ny fanomezana ireo Akany fitaizana miisa 5.
Iisaorana ny tsirairay avy izay nanolotra vola sy zavatra nanampiana ireo efa nomanin’ny Fiangonana. Andriamanitra anie hamaly fitia anareo rehetra.

Marihana fa nahatratra 360.000 Ariary ny vola voaangotsika nividianana voamaina sy menaka, sira , siramamy ary savony. Ny natolotry ny Fiangonana moa dia vary 2 gony isaky ny Akany.

Isaorana manokana ireo nanaiky ho fitaovana nanatitra ireo fanampiana dia :

  • TOPAZA Ambohimitsimbina dia naterin’ny Mpitandrina mivady
  • Akany AVOKO Faravohitra dia naterin’ny Mr Ando RAMAHAROMANANA mivady sy Mme Hanta RAJAONERA mivady
  • Akany AVOKO Bevalala dia naterin’i Mr Stéphane RAVELOSON mivady
  • Akany AVOKO Ambohidratrimo naterin’i Mr Njaka Giovani mivady
  • Akany fanarenana Anjanamasina dia naterin’i Mr Solofo RAMAMONJISOA

Izany fandaminana izany no natao dia mba ho fitandrovana ny fitsipika noho ny aretina ka tsy hisian’ny fitangoronana.

Miditra anaty vanim-potoana ririnina moa izao ka hiatrika hatsiaka ny eto an-drenivohitra. Mbola manentana hatrany izay afaka manolotra akanjo mafana ho an’ireo Akany ireo.

Mahereza fa ny Tompo homba antsika rehetra !

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email