FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Nifarana ny fankalazana ny faha-160 taona, mifalia fa velona ny Finoana

Nifarana ny fankalazana, nanakoako ny lakolosy, na ny teto Analakely, na ny tany Ampandriankilandy

Dera sy laza no hasandratra ho Azy Andriamanitra tompon’ny fiangonana fa tojo amin’ny famaranana ny fotom-pankalazana Azy ny fiangonana, noho ny nahatratrarana ny faha-160 taona nijoroany. Notontosaina izany ny Alahady 04 desambra 2022 nandritra ny fidirana anankiroa. Tonga manokana nitarika io fotoana io ny Mpitandrina Rasamimanana Rijaniaina Eric, avy any amin’ny FJKM Ampandriankilandy Fiadanana. Ny Mpitandrina Ravelosoa Andriamamonjy Nomenjanahary Mickael kosa no nitoriteny.


Vory lanona ny fiangonana, notarihan’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael sy ny Biraon’ny Fitandremana, ny Birao sy ny komity faha-160 taona izay notarihin’Andriamatoa Raveloson Stephane, ny Komity Teknika Taotrano izay notarihan’ny Filohany, Andriamatoa Ratsimbazafy Serge, ny sampana sy sampanasa ary Fikambanana rehetra. Nanotrona feno naneho fiombonana ny fiangonana iray manontolo.

Tamin’ny fombam-piangonana fanao isaky ny famaranana fankalazana no natao, nankasitrahana sy notolorana sertifika ny komity faha-160 taona. Efa ho roa taona niasana tokoa ny komity, nanatanteraka ny tetikasam-pankalazana fa indrindra nanao ireo tsangambato roa izay nobanjinina : vita tanteraka ny fanavaozana ny façade principale ny Fjkm Katedraly Analakely ; natsangana ny fiangonana FJKM Ampandriakilandy Fiadanana izay efa vita hatrami’ny 80% ny asa. Ny Biraon’ny Fitandremana no nanolotra ny fankasitrahana sy ny fisaorana.

Sakafom-piombonana no namaranana ny fotoana, izay nanasana ny fiangonana iray manontolo : fiombonana satria ny fiangonana iray manontolo nivondrona no nafahafana nanatontosa ny fankalazana. Roa taona niombonana tanjona dia ny tsangambato anankiroa lehibe izay mitentina 270 000 000 Ar raha hatambatra. Roa taona nanambarana hery, nampitomboina finoana satria niainga tamin’ny kely teo am-pelan-tànana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email