FJKM KATEDRALY ANALAKELY

56 TAONA NIHIRANA NY AMA

Mamarana ny fankalazana ny iray volany ny Antoko Mpihira Analakely ka antsan-kira-piderana no nosafidian’izy ireo amin’izany. Fotoana efa hifanomezan’ny AMA ny antsam-piderana isaky ny iray volana ka hiventesan’izy ireo ny hira novelomina hatramin’ny taona 1965 niorenany. Ny tononkiran’ny mpanao Salamo ihany no manosika azy ireo tsy hitsahatra hihira fa hoy indrindra ny Salamo 104, 33b « Hihira ho an’i Jehovah aho raha mbola velona koa »

Ny taona 1965 no niorenan’ny Antoko Mpihira ka Andriamatoa Randria Niry Jules no Filoha voalohany. Efa maro ny dingana sy sedra nolalovan’ny Antoko Mpihira ka efa azo lazaina fa anisan’ny Fikambanana manana fototra mafy orina ao amin’ny Katedraly Analakely. Manodidina ny 60 ny mpikambana, ary efa mananika ny 400 ireo hira noforonina. Ventesin’izy ireo daholo ny ankamaroan’ny gadona toy ny ba gasy, classika, zafindraony, gospel sns … Ankehitriny dia tsy tapaka manafana ny fotoam-pivavahana isaky ny alahady. 

Nanatsara fomba fiasa ny birao ankehitriny ka nanetsika ireo mpikambana handray andraikitra any anaty vaomiera dia ny vaomieran’ny hira, ny vaomieran’ny aim-panahy, ny vaomieran’ny fialam-boly ary ny vaomieran’ny serasera. Manan-danja kokoa ny vaomieran’ny hira satria manana zana-baomiera telo dia ny fampianaran-kira, ny fandrindrana ireo tononkira ary ny fampitaovana. Amin’ny maha-antoko mpihira ny fikambanana dia nomena andraikitra somary mavesatra io vaomiera io.

Araka ny toromarika nomen’ny Biraon’ny Fitandremana dia hirindra hiaraka amin’ny fankalazana ny faha-160 taona ny fiangonana ny Antoko Mpihira Analakely ka tsy namaritra tetikasa manokana amin’ity taona 2021 ity. Ankoatra ny tetikasa iombonana any Ampandriankilandy izay hiarahan’ny Sampana, Sampanasa ary Fikambanana dia hikarakara ny Antsan-kira lehibe noho ny fankalazana ny faha-160 taona ny Katedraly Analakely ny AMA. Izany dia kasaina hatao ny volana aogositra 2021.

Manana hetaheta sy fikasana anefa ny Antoko Mpihira Analakely dia ny hanavao tanteraka ny fanamafisam-peo sy ny zava-maneno. Azo lazaina fa tena antitra tanteraka ny eo am-pelantanana koa mitodika amin’ny mpino kristiana izay manohana ny fitoriana ny filazantsana an-kira mba hanome tànana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email