FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FENO 125 TAONA NY FIFOHAZAM-PANAHY (9 Jona 1895 – 9 jona 2020)

Tamin鈥檔y 9 Jona 1895, raha niara-nivory tao amin-dRainisoalambo izy 13 mianadahy, ka nihira tamin-kafanam-po sy nifandimby nivavaka ary nandinika ny Soratra Masina, dia nihovitrovitra ny trano. Ary injany nisy feo nanao hoe : 芦Hamonjy ny oloko Aho, ary ianareo no hitory ny fibebahana aminy禄.

Nilatsaka ny Fanahy Masina, ka nameno azy rehetra. Nitsangana Rainisoalambo, nivavaka, dia nametra-tanana tamin鈥檌reo mpianany 12 mianadahy, sady nanome teny mamy ho fampaherezana azy ireo tsirairay avy.

Tamin鈥檌o andro io no nifanarahany, fa hitondra ny anarana hoe : Ny Mpianatry ny Tompo izy ireo, ka hitandrina sy hampihatra amin鈥檔y fiainana ny didim-pitiavan鈥檌 Jesosy, araka izay voasoratra ao amin鈥檔y Jaona 13: 34-35. Teo koa no nandinihany izay fomba mahomby hitoriana ny Filazantsara, manomboka amin鈥檔y manodidina, ka hipaka any amorontsiraka. Ary farany, dia tamin鈥檌o ihany koa no nanaovany ny Fifanekena fito, izay ho hitantsika eto ambany.

Tsarovana isan-taona, isam-paritra io daty malazan鈥檔y 9 Jona io, ka anaovana fotoam-pivavahana miaraka amin鈥檔y fiaretan-tory, ambaraka ankehitriny. Averina velomina ao am-pon鈥檔y mpivory ny tantaran鈥檔y Fifohazan- dRainisoalambo, isaky ny 9 Jona, ka izany no ahafantaran鈥檔y tanora mifandimby ny fototra niposahan鈥檔y mazava teo amin鈥檌reo razany.
Manaraka fandaharana manokana sy litorjia mazava tsara ny fotoam-pivavahana amin鈥檔y 9 Jona.

Ireto avy ireo Fifanekena Fito izay nifanaovan鈥檌zy 13 mianadahy :
1/ Hianatra mamaky teny hahazoana mandinika isanandro ny Soratra Masina,
2/ Hianatra marika sy soratra hahalalana ny toko sy andininy ao amin鈥檔y Baiboly ary hahaizana manoratra,
3/ Hanao bango volo ny vehivavy ary tsy hanao lava volo ny lehilahy,
4/ Hodiovina tsara ho mendrika hivavahana ny trano fonenana ; hodiovina ny tokotany ; hanao lakozia ivelan鈥檔y trano fonenana, hatokana ny tranon鈥檔y biby amam-borona,
5/ Hanao saha, ka hamboly hazo sy zava-pihinana hahabe ny hanina,
6/ Hatomboka amin鈥檔y vavaka izay rehetra atao, mba hisy fitahiana,
7/ Izay ahafatesana no hilevenana. Lamba sy akanjo madio no hifonosana, fa tsy lambamena ; hira sy fivavahana ary toriteny no hatao, fa tsy mba ny fomba jentilisa ; ary tsy hofonosana ny maty.

Nanomboka hatreo ny fiarahan-dry zareo nifanampy tamin鈥檔y asa aman- draharaha isan鈥檃ndro, ka nahavitany fambolena tamin鈥檔y faritra nidadasika, izay nahazoany vokatra be. Tsy nisy navelany ho lavavolo ny tany rehetra nananany.

Notohizan鈥檔y zanaky ny Fifohazana ao Soatanana ambaraka ankehitriny ny asam-piraisana, ka endrey izany mahita azy ireo miara-miasa, sady mihira, no mifandimby mivavaka.

Nangonin’Atoa RAVELOSOA ANDRIAMAMONJY NOMENJANAHARY MICKA脣L, MPITANDRINA

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email