FJKM KATEDRALY ANALAKELY

MANKALAZA NY FAHA-20 TAONANY NY BIBLIOTEKA

“Zaro amin’ny làlana tokony halehany ny zaza…
fa ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay”
Oha 22,6a – 2Pet 1,25a

Noho ny fitantanan’Andriamanitra dia nahatratra ny faha-roapolo taona ny Sampanasa Biblioteka. Ny Alahady 08 novambra 2020 no nankalazaina tamin’ny fombam-piangonana izany.

Tsy nikely soroka ny birao am-perin’asa ka nikaroka ireo Ray aman-dreny nanangana sy nanorina ny Sampana roapolo taona lasa izay. Nisy arak’izany ny fanomezana mari-pankasitrahana azy ireo noho ny fikelezan’aina nampiodina ny Biblioteka. Vory lanona ireo mpikambana sy mpitarika rehetra nandritra izay roapolo taona izay.

Fifaliana no hita soritra teny amin’izy ireo satria notsarovana ny asa nataony. Tsy very maina anefa izany satria dia endrika vaovao, ahitana tanora ny mandrafitra ny Biraon’ny Sampanasa Biblioteka ankehitriny. Hamelona sy hanohy, fa indrindra hanatsarana ny ezaka efa vitan’ireo Ray aman-dreny izy ireo.

Rivotra vaovao no entin’ireo Birao sy Komity izay hiasa mandritra ny efa-taona manaraka. Hamafisina ireo boky fianarana efa nisy hatramin’izay. Mbola hividy sy hanampy izany ny Sampanasa mba hahafahan’ny ankizy sy tanora manovo fahalalana. Ankoatr’izay dia hametraka ny Sampanasa ho Bibliotekam-piangonana ihany koa ho tanjona hiarahana amin’ny tarigetran’ny FJKM dia ny hitoriana ny Filazantsara. Izany hoe ahitana ireo karazana boky kristiana isan-karazany, manomboka any amin’ny Baiboly, boky fikarohana, boky fianarana ho an’ny ankizy. Mipetraka ihany koa izao ny “MEDIATEKA” eo anivon’ny sampanasa : ho toerana fandalinana sy fikarohana ho an’ireo izay te hanovo fahalalana. Neken’ny biraon’ny fitandremana ny nampiakatra ny “connexion internet” izay misy ao amin’ny fiangonana satria dia hiasa matetika izy io. Ankehitriny dia efa manana solosaina miisa efatra ny Sampanasa Biblioteka. Izany rehetra izany dia hisaorana ny Tompo satria entina hiderana ny anarany.

Mampiavaka ny tetikasa eo anivon’ny Sampanasa Biblioteka ny fampianarana ny teny malagasy. Efa roa volana izay no nisiany ary ireo ankizy kely ao amin’ny sekoly alahady no mianatra ao. Ho hamafisina izany fampianarana izany ka hisy ihany koa ny fampianarana teny anglisy sy matematika.

Manana toerana manokana ny Sampanasa Biblioteka eo anivon’ny FJKM Katedraly Analakely satria, tsy ho vitan’ny ho fitehirizam-boky irery intsony izany, fa ho toerana fandalinana sy fikarohana ihany koa.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email