FJKM KATEDRALY ANALAKELY

SAMPANASA AFF, HITORY AN’I JESOA KRISTY OLONA, NY ASANY ARY NY FIAINANY

Tontosa ny tolakandron’ny Alahady 12 janoary 2020 lasa teo ny fanompoam-pivavahana ho fanombohan’ny asan’ny Sampanasa AFF eto amn’ny Katedraly Analakely. Ny fotoana dia notarihin’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael, ny birao sy ny komitin’ny Sampanasa. Ny Mpitandrina RARIJASON Hery, Filohan’ny Sampanasa AFF Foibe teo aloha no nitondra ny lahateny.

Nohazavain’ny Mpitandrina ny antom-pisian’ny sampanasa sy ny Filazantsara, izany dia mba hananan’ny sampanasa AFF katedraly Analakely vatsy entina hanatontosana ny asa.
Raha fintinina dia asan’ny fiangonana rehetra ny fitoriana ny Filazantsara ka izay no maha-sampanasa azy fa tsy sampana. Ny Kristiana rehetra izay nahazo maimaim-poana no hasaina hitory ny Filazantsara, ny sampana rehetra dia mpikambana feno anantin’izany.
Fanontaniana no nitondran’ny Mpitandrina RARIJASON ny lahateny ka ny voalohany dia hoe :
1/Hatao inona ny Filazantsara araka ny I Korintiana 10, 1 ?natao HOTORIANA, RAISINA, HIORENANA, HAMONJENA,TAZOMINA
2/Inona ny Filazantsara ?
Araka ny voalaza ao amin’ny I Korintiana 10, 3 -4, ny Filazantsara dia miorina amin’ireto :

  • Jesoa Kristy olona : tonga olona ao aminao ny Filazantsara
  • ny asa-pamonjena vitany : ny anton’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy dia ny ho faty noho ny fahotantsika
  • ary ny fiainany : ny fiarahany tamin’ny mpianany

Ny Sampanasa AFF dia efa manana tetikasa fanorenana fiangonana any Ampandraikilandy, izay hiarahany miasa amin’ny sampana VFL. Ankoatr’izay dia mifandrimbona amin’ny sampana rehetra ihany koa ny AFF amin’izay manana asa fitoriana ny filazantsara hatao amin’ity taona ity.

Efa manomboka izao ny asa fitoriana ary efa am-perin’asa tanteraka ny birao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email