FJKM KATEDRALY ANALAKELY

SAMPANASA BIBLIOTEKA : ATELIER DE VACANCES

« Milalao sy mifaly miaraka amin’i Jesoa »

Hetsika vaovao noforonon’ny Sampanasa Biblioteka ny « Atelier de vacances », nentina indrindra hampizatra ny ankizy fa afaka tsara hatao ny milalao any an-tranon’Andriamanitra. Fanatevenana ny fitaizana omena ny ankizy izany mba hifameno amin’ireo fitaizana omen’ny sampana hafa toy ny Sekoly Alahady, SAMPATI sns…3 taona ka hatramin’ny 18 taona no afaka manatrika izany ary misandrahaka arak’izany sokajin-taona izany ireo karazana fampilalaovana ary tontolo andro no hanaovana izany.

Ireo Biraon’ny Sampanasa Biblioteka ihany no manana ny talenta sy fanomezam-pahasoavana ka mitady ireo karazana fampilalaovana sy fanentanana ho an’ny ankizy. Ao ny karazana asa tànana toy ny fandokoana sy famoronana haingo an-taratasy isan-karazany. Ao koa ny lalao iombonana, ny lalao manokana, ny fijerena sary mihetsika ara-pilazantsara ho an’ny ankizy sns sns.

Raha ny talata 03 janoary 2023 lasa teo dia 15 no isan’ireo ankizy. Midika izany fa mazoto ireo ray aman-dreny mandefa ireo zanany. Tsotra ny fandaminana : samy mitondra ny gouter, ny sakafo atoandro ary sara-pandraisana anjara. Amin’ny fialan-tsasatra manaraka indray no fotoana manaraka.

“Zaro amin’ny làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany” Ohabolana 22, 6

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email