FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Sary mihetsika ho an’ny ankizy kely

Tontosa tamin’ny Sabotsy hariva teo ny fandefasana horonantsary ho an’ny ankizy kely tao amin’ny efitranon’ny Biblioteka ao amin’ny rihana fahatelo. Miisa 27 eo ny ankizy tonga namaly ny fanasana ho amin’izany ka nijery ny sary mihetsika mitondra ny lohateny hoe “Au commencement”. Naharitra 20 minitra ny horonantsary ary narahana fampianarana mifandray amin’ny lohahevitry ny sary mihetsika. Mbola hitohy ny hetsika toy izany ka amin’ny Sabotsy 20 febroary amin’ny 2ora30 indray ny fotoana nomena an’ireo ankizy. Amin’ny manaraka àry, ny tantaran’i Abrahama sy Isaka indray no kasaina halefa.

Tafiditra ho isan’ny fanavaozana entin’ny Sampanasa Biblioteka ho an’ity taona vaovao ity ny ezaka fivelarana ny kolontsaina kristiana amin’ny alalan’ny fandefasana horonantsary. Hatreto, ireo ankizy 5 hatramin’ny 12 taona aloha no manana anjara amin’izany hetsika izany. Mikasa ny hanitatra ny ezaka ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe ihany koa ny Sampanasa ka halamina araky ny fahafahan’ireo mpiandraikitra ho amin’izany.

Ankehitriny, raha mandeha ao amin’ny Tranomboky, ny “Médiathèque” ihany aloha no mbola misokatra ho an’ny mpikambana; izany hoe, ny fisitrahana ny Internet aingam-pandeha ahafahana mianatra sy mandalina ary mikaroka fahalalana. Ankoatr’izay, ho an’ireo mpianatra manana fahasahiranana amin’ny teny anglisy sy frantsay ary matematika, misy famenom-pampianarana omen’ny Biblioteka. Hita ao amin’ny peta-drindrin’ny Fiangonana moa ny andinindinin’izany. Marihana fa mbola ao anatin’ny vanim-potoana fanisana boky ny Biblioteka ka miato ny findramana ny boky.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email