Toy ny fanao isaka ny voalohan’ny taona dia ny fifampiarahabana noho ny tonon-taona, no nanombohana ny fitohizan’ny fampianarana Sekoly Alahady.
Tsaroana manokana mandritra io fotoana io ny Mpitandrina mianakavy, ireo mpianatra sy mpampianatra nahazo diplaoma ary indrindra ireo raiamandreny zokiolona. Izany dia nialohavan’ny fanompoam-pivavahana, ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fametrahana ny taom-pianarana eo ambany fitahiany;
Mitohy ny taom-pampianarana ao amin’ny Sekoly alahady. Ankehitriny, mi-isa 368 ireo kilonga, tanora ary olon-dehibe mianatra sy mandalina ny tenin’Andriamanitra, ao aorian’ny fotoam-pivavahana voalohany. Nihena moa izany antontan’isa izany, raha oharina tamin’ny taon-dasa. Isan’ny antony nahatonga izany, ny voka-dratsin’ ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 eto amin’ny firenena. Mpampianatra mi-isa 76 kosa no miandraikitra ny fampianarana an’ireo mpianatra ireo.
Mandritra izao fankalazana ny faha-160 izao, ny sampana Sekoly Alahady dia manana tetikasa hanangana trano sekoly any Ambohimahavelona Toliara, ankoatra ny tanjona hiombonany amin’ireo sampana maro samihafa eto amin’ny fiangonana.