FJKM KATEDRALY ANALAKELY

T.A.FI.K.A KITRA

Niverina koa ny fanatanjahan-tena aty am-piangonana, taorian’ny fikatonan’ny fiangonana. Nanatanteraka ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena ny taranja baolina kitra ao amin’ny Sampana T.A.FI.K.A (Tanora Akon’ny Fiderana Katedraly Analakely), ka ny sabotsy 21 febroary sy 28 ferboary 2021 lasa teo no nanaovana izany. Ny STK Ivandry Firaisana no nikarakara ny hetsika, izay tafiditra tao anatin’ny « Tapa-bolam-bokatra », ka nandraisan’ny fiangonana maro anjara. Anisan’izany ny TAFIKA KITRA eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely.

Ny Fiangonana namaly ny antso tamin’io tapa-bolam-bokatry ny STK Ivandry Firaisana io dia ny FJKM Ivandry SVM, FJKM Ivandry STK, FJKM Andraisoro, FJKM Anosivavaka, FJKM Analamahitsy, FJKM Katedraly Analakely, FJKM Salema 67ha ary ny FJKM Ankazomanga

Ireto avy indray kosa ireo iray vondrona amin’ny FJKM Katedraly Analakely

  • STK Ivandry
  • FJKM Andraisoro
  • FJKM Ankazomanga
  • FJKM Katedraly Analakely


Lalao anankitelo no nandraisan’ny TAFIKA Kitra anjara ny Sabotsy 20 Febroary 2021 lasa teo ka nahazoana fandresena roa, izay nahatafiakatra azy ireo tamin’ny dingana manasa-dàlana, ka toy izao ny vokatra.

  • FJKM Ivandry SVM 4 – 1 FJKM Katedraly Analakely
  • FJKM Katedraly Analakely 3 – 1 FJKM Ankazomanga
  • FJKM Katedraly Analakely 2 – 0 FJKM Andraisoro


Niondrika am-panajana nanoloana ny FJKM Anosivavaka tamin’ny isa roa no aotra kosa anefa ny TAFIKA Kitra nandritra ny lalao manasa-dàlana.

Ny TAFIKA KITRA dia rantsana iray eto anivon’ny Sampana TAFIKA, izay entina hitaizana sy hanabeazana ireo tanoran’ny fiangonana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ; ary koa fitaovana iray entina mitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny fihetsika, fiteny ary ny fomba filalao eny ambony kianja, entina hanomezana voninahitra an’Andriamanitra amin’ny talenta izay nomeny.

Nitsangana ny taona 2019 ny TAFIKA KITRA ary roapolo (20) lahy no mandrafitra izany ekipa izany. Ny fotoana hanaovana ny fanazaran-tena dia isakin’ny Asabotsy amin’ny 2ora tolakandro eny amin’ny Kianja Génie Betongolo.

Tsy ny fanahy irery ihany no kolokoloina sy tezaina eto anivon’ny fiangonana, fa eo indrindra koa ny tena sy ny saina. Ary ny talenta izay nomeny ny olona tsirairay dia rariny indrindra raha entina hanehoana sy hanomezana voninahitra Azy.

Koa ho anao izay nomeny talenta, “Aza mandevin-talenta” fa ‘ndeha hanatevin-daharana ny TAFIKA KITRA.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email