FJKM KATEDRALY ANALAKELY

VFL KATEDRALY ANALAKELY : TOHANA HO AN’NY FIANGONANA

« Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? » Matio 5, 47a
Izany andinin-tsoratra masina izany no nentin’ny Sampana Vondrona Fototra Laika nanehoana ny voninahitr’Andriamanitra nandritra ny dimy taona nitsanganana ka nampiroborobo ny fanjakan’Andriamanitra ety an-tany dia ny FJKM Katedraly Analakely, izay sehatra hiasan’izy ireo.


Eny tokoa, dimy taona nitaizana sy nanabeazana ny fiangonana hanolotra izay talenta sy fanomezam-pahasoavana nataon’Izy Tompo eo am-pelantànan’ny tsirairay, ka hanampiana ny fiangonana hiatrika tetikasa goavana. Antso amin’ny fanoloran-tena noho izany no lazain’ny filazantsara araka ny voasoratr’i Matio, izay teny fanevan’ny sampana.
Raha ny dimy taona ho avy, am-pinoana tanteraka no hiatrehan’ny sampana Vondrona Fototra Laika izany satria matoky ny fitantanan’ny Tompo izy ireo. Nindrana ny teny baikon’i Jesoa Kristy tamin’i Petera manao hoe « Mandrosoa ho any amin’ny lalina »Lioka 5, 4a ka sahy tanteraka noho izany ny hiatrika izay asa omen’ny fiangonana azy ireo.


TSIAHY
Ny Sampana Vondrona Fototra Laika no anisan’ny zandriny indrindra niforona tato amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Rehefa neken’ny ambaratongam-pitondran’ny fiangonana dia ny Alahady 23 jona 2019 no nitsangana ara-pombam-piangonana ny sampana, fotoana manokana izay notarihan’ny Sampana Fototra Laika ao amin’ny Foibe sy ny Vondrom-paritany Laika any amin’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano. Sampana tsy manavaka taona ary mandray na lehilahy sy vehivavy. Manodidina ny zato eo izao ny mpikambana ary tena mivelatra amin’ny sehatra isan-karazany ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavan’izy ireo. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Birao voafidy tamin’izany ny fitaizana ny mpikambana hanatrika sy handray anjara amin’ny asa iombonana eo anivon’ny Synodamparitany ary ny Foibe. Ny volana aogositra 2019 sy oktobra 2022 ary dia efa nandray anjara tamin’ny Fihaonambe sy Zaikabe tany Manakara sy Fenerive Est. Manarak’izany dia miatrika tsy tapaka ny fivoriamben’ny Vondrom-paritany Laika eo anivon’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano ny sampana.
Ao anatin’ny fandraisana anjara amin’ny fivelaran’ny sampana dia efa nahavita nanangana ny sampana VFL tao amin’ny FJKM Ambatomiranty, izay anatin’ny Syndamparitany Iarivo Avaradrano ihany.
Raha ny eto amin’ny Fitandremana Katedraly Analakely kosa dia dingana lehibe maro no efa vita. Niatomboka izany tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny komity faha-160 taona ny fiangonana ny taona 2021. Nankinina tamin’ny VFL tokoa mantsy ny fanentanana sy ny fitadiavana loharanom-bola ka roa taona monja taorian’ny nitsanganany dia afaka nanohana ny 20% ny fanavaozana ny « facade principale » ny fiangonana. Tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fankalazana ny faha-160 taona ihany dia nandray anjara lehibe tamin’ny fitadiavana loharanom-bola nentina nananganana ny fiangonana FJKM Ampandriakilandy Fiadanana ihany koa ny VFL, izay niarahana tamin’ny Komity. Niantohan’izy ireo arak’izany ny dabilio 40 ho an’io fiangonana io.


Amin’izao fankalazana ny faha-dimy taona izao dia nanolotra latabatra vita amin’ny vato granite ny VFL ho tsangambato, izay nitentina dimy tapitrisa ariary. Ampiasaina izy io hampiasain’ny sampana izay manao varotra eo an-tokontanim-piangonana.
Mitohy hatrany ny asa fanamboaran’ny fiangonana ka miatrika ny fividianana groupe électrogène sy ny fanavaozana ny tamboho izao. Asa goavana hiandry aorian’io ny fanavaozana tanteraka ny trano vadim-piangonana izay hiantsoana indray ny VFL.


FANAMBOARANA NY TRANO VADIM-PIANGONANA
Raha ny tantaran’ny fiangonana dia anisan’ny natsangana farany taty aorian’ny naha-katedraly ny Fjkm Analakely ny trano vadim-piangonana satria dia ny taona 1974 no nahavitana azy.
Noho izany dia azo lazaina fa antitra tokoa raha ny toerty ny tao trano ankehitriny, efa harafesenina daholo ireo vy mitondra ny beton anaty rindrina. Ambonin’izay ny toerana honahona izay misy ny fiangonana.
Izay Mpitandrina nifandimby rehetra koa dia nanao fanamarihana fa vitsy loatra ny efitra ary misy aza mitoetra anaty aizina mihintsy satria tsy tratry ny masoandro mihintsy.
Teo anatrehan’izay no nitondran’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael teo anivon’ny Biraon’ny Fitandremana ny hanamboarana tanteraka ny trano vadim-piangonana ary hampiana rihana iray. Rehefa nodinihina niaraka tamin’ny Komity Teknika ny Tao trano ny fikasana ary nahazoana fankatoavan’ny ambaratongam-pitondran’ny fiangonana dia hiroso amin’ny tetikasa ny fiangonana.


Misy dingana tsy maintsy narahina anefa alohan’ny nirosoana amin’ny fanamboarana, izay naroson’ny Komity Teknika ny Tao trano :
Tsy maintsy averina jerena ireo « plan de ferraillage » sy ny « structure en beton » ny trano.
Tsy maintsy mandalo fitsirihina ny tany niorenan’ny trano raha mazaka na tsia ny rihana izay kasaina ampiana.
Teo nahitana fa mavesatra ny asa miandry satria mila hamafisina daholo ireo teboka ireo, araka ny tolo-kevitra naroson’ny SOCOTEC sy ny LG BTP izay nanao ny asa.
Raha ny vinavinan’ny fiangonana dia 145 240 000 Ariary no ho teti-bidin’ny fanamboarana.
Fikasan’ny sampana VFL ny handray anjara betsaka amin’io fanamboarana io ka efa misy ny tetikasa loharanom-bola ho atao.


Eto aty ry Havana dia tsy vitanay ny handeha irery fa mila ny mifampitantana aminareo izahay, hifanohana amim-bavaka, amin’ny fitaovana ary amin’ny enti-manana koa raiso izay tandrifin’ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana hanananao.
« Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany » I Kort 12 4a

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email