FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HEVERO NY FIANTSOANA ANAO

i Korintiana 6, 1-10/Mofonaina 11 aogositra 2020

Rehefa nateraka indray ianao ka mihavao dia mihavao ihany koa ny asa fanompoana an’Andriamanitra.

1/velomy ny fanomezam-pahasoavana

Omeo lanja ny fahasoavana nomen’Andriamanitra, aza avela ho very maina izany. Izany dia toy ny manome lanja an’Andriamanitra nanome ilay fanomezam-pahasoavana. Omeny maimaim-poana anao izany.

Ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra dia i Jesoa Kristy. Inona aza no anjara-toeran’i Jesoa kristy eo amin’ny fiainanao ? navelanao very maina ve ny fitsanganany tamin’ny maty ? ataonao tsinontsinona ve io fahasoavana nomen’Andriamanitra io ?

MALAHELO ANDRIAMANITRA RAHA TSY ASIANAO LANJANY IZAY NOMENY ANAO MAIMAIMPOANA

2/haseho ny tenanao ho mpanompon’Andriamanitra mahatoky

Omeo lanja ny asa fanompoana ataonao, mba hanomezan’ny hafa an’Andriamanitra izay tompon’ny asa.

Asehoy amin’ny Fitiavana, ny Faharetana, ny Fahamarinana, ary  ny Fiainam-pifaliana mba ho hita fa mpanompon’Andriamanitra mahatoky ianao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email