FJKM KATEDRALY ANALAKELY

IREO ANTSO ROA SOSONA

Toriteny Alahady 04 Jolay 2021
Genesisy 12 : 1-9

Ny lohahevitra amin’ity volana ity dia ny hoe : Miorena amin’ny antson’ny Tompo. Koa hifantoka amin’ny resaka antso izay horesahantsika sy hianarantsika androany. Ny lohateny omena izao hafatra izao dia ny hoe : Ireo antso roa sosona (double appel) dia ilay antso ataon’Andriamanitra amin’ny olona.

 

Ny angalantsika ny hafatra dia ny ao amin’ny Genesisy 12. Fa mialoha ny hijerentsika ny ao amin’ny Genesisy, dia andao aloha jerentsika ny Matio 7 ahitantsika hoe inona no zavatra mitranga rehefa akorontantsika io double appel io na ilay antso roa sosona. Mila mahalala tsara ny mahakasika ny antso atao aminao ianao mba tsy hahatonga anao ho tratran’ity zavatra mitranga ato amin’ny Matio 7:22-23 ity : “Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay ? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay ? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay ? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.

 

Ireo antso roa sosona dia : ny antson’ny famonjena sy ny antson’ny asa. Ny olana dia izao, ny olona tsy nandray ilay antso voalohany – dia ny antson’ny famonjena, fa ilay antso faharoa – dia ny antson’ny asa fotsiny no noraisiny. Mila fantarina tsara aloha ilay antso roa sosona izay vao tafita miaraka amin’Andriamanitra. Raha tsy izany dia tena tsy te hahalala ny Tompo rahatrizay satria nihazakazaka namaly ilay antson’ny asa fotsiny fa tsy namaly ilay antsom-pamonjena.

 

Ahoana àry no fomba fampiasana ireo antso roa sosona ?

 

1- Tsy maintsy mamaly ny antsom-pamonjena aloha

Ny Tompo no miantso hoe : “Izaho te hamonjy anao” dia mamaly ianao hoe : “Inty aho fa manaiky hovonjena.” Miverina ao amin’ny Genesisy amin’izay isika hijerentsika ny niantsoana an’i Abrahama. Nantsoin’Andriamanitra i Abrahama hiala ao amin’izay tany nisy azy – tao Oran’i Kaldeana, hankany amin’ny tany izay asehony azy – dia ny tany Kanana (Gen. 12/1,5). Satria tany feno ota ny tao Oran’i Kaldeana, ary dadan’i Abrahama no lehiben’ny mpanompo sampy tao – dia noentin’Andriamanitra i Abrahama hakany amin’ny tany Kanana. Ilay toerana hifindrana izany dia tsara lavitra noho ilay toerana nisy anao taloha.

 

Raha hampandalovina ao amin’i Kristy izany dia tena izay mihitsy ilay tenin’i Kristy hoe : miala eto amin’ity tany ity ianao, dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay (Jao. 14/1-3). Ny lesona tsoahana izany dia izao : antsoin’Andriamanitra ny olona rehetra miainga eto an-tany (point de départ) hakany amin’ny fiainana mandrakizay (point d’arrivée). Famonjena izany !

 

Ny tany Kanana izany dia dindon’ny fiainana mandrakizay. Rehefa manaiky hovonjena ianao dia atoron’ny Tompo amin’izay ny lalana makany amin’ny fiainana mandrakizay dia ny mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy. Fanontaniana mipetraka ho ahy sy ho anao : Tena efa noraisinao ve ilay antsom-pamonjena ?

 

2- Tsy nantsoina ho voavonjy fotsiny ianao, fa nantsoina hiasa

Mahafinaritra ny toerana nametrahana an’i Abrahama ary mbola toerana nametrahana ny fiangonana mandrak’androany, fa sarotra (Gen. 12/2-4). I Abrahama dia loharanom-pitahiana ho an’ny hafa. Ary toy izany koa ny fiangonana satria izany no asa nomen’Andriamanitra ny fiangonana. Raha ambara amin’ny teny farany izay tsotra dia hoe : velona ho an’ny hafa. Ny hafa no migoka ny tsirony fa tsy izaho. Fa na izany aza, omen’ny Tompo tsirony foana aho. Fa ny fanontaniana mipetraka dia izao : tena loharanom-pitahiana ho an’ny hafa marina ve isika ?

 

I Abrahama sy ny fiangonana dia nantsoin’Andriamanitra ho lehibe aneho ny voninahitr’Andriamanitra. Ka rehefa mijery an’i Abrahama ny olona, dia tsy i Abrahama mandroso no hitany fa ny voninahitr’Andriamanitra no hitany eny amin’i Abrahama. Izany hoe ny hetsika rehetra ataon’ny fiangonana dia hetsika hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra. Ary rehefa mahita ny voninahitr’Andriamanitra ny olona, dia lasa mamaly ny antson’Andriamanitra koa izy. Ary rehefa mamaly ny antson’Andriamanitra ny olona dia mahazo fitahiana. Ny fiangonana izany fitaovana hahazoan’ny hafa fitahiana.

 

Aoka hiorina amin’izany antso izany ny finoantsika ho voninahitr’Izy Andriamanitra. Amena.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email