FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ivon’ny fankalazana ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely

Toriteny Alahady 12 Septambra 2021
Jeremia 31 : 18 – 21

« Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangam-bato » Jer.31/21a

Hafatra telo no omena ny FJKM Katedraly Analakely amin’izao taom-pankalazana ny faha-160 taona ny Fiangonana izao :

1- Ry FJKM Katedraly Analakely o, tia anao loatra ny Tompo

Tantara anankiray ato anaty Baiboly nanehoana indrindra indrindra ny fahababoana teo amin’ny Zanak’Israely. Ary any am-pahababoana ny zanak’Israely no nitaraina, nitomany, nangataka, nivavaka : « vonjeo izahay Andriamanitra o !  » Ilay zanak’Israely babo, nangataka hiverin-dàlana ao amin’Andriamanitra, (Jer.31/18-19)

Fa mahafinaritra ny valitenin’Andriamanitra : déclaration d’amour. Jer.31/20 « Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah. » Resin’ny Fitiavana ny fon’Ilay nanafay !

Ry FJKM Katedraly Analakely, mbola tia anao Andriamanitra ! Izany no mahatonga Azy hanome itony teny itony ho teny faneva. Ao anatin’ny fanazavana izany teny faneva izany, Andriamanitra mitantara Fitiavana no mialohan’ny teny faneva izay noraisintsika. Ary ao amin’I Jesoa no tanteraka izany fitiavana izany : « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. » Jao.3/16.

Tian’Andriamanitra loatra ianao, ary ny fara-tannjon’Andriamanitra dia fiainana mandrakizay. Te hanolotra fiainana mandrakizay ho anao Andriamanitra ka izany no mahatonga Azy hitantara fiverenan-dàlana ho any amin’ilay fiainana mandrakizay. Diso làlana ianao nakany amin’izao tontolo izao, averin’Andriamanitra mankany amin’ilay mandrakizay.

 Fa ny fanontaniana mipetraka dia izao : hodianao fanina ve izany Andriamanitra tena tia anao izany ?

Antso : Raiso ilay Fitiavana !

2- Ry FJKM Katedraly Analakely, tsarovy ny Fitiavan’ny Tompo anao

« Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra. » Sal.103/1-2

Ilay Fitiavan’Andriamanitra dia natao hotadidiana ! Ary izay no dikan’io hoe « Manangàna famantaran-dàlana » io. Miresaka làlana be dia be ny Jeremia toko faha-31. Raha nandika an’io ny teny hebreo dia nataony hoe מְסִלָּה [mecillah] izany hoe autoroute na làlana mikodàna. Misy làlana mikodàna namboarin’Andriamanitra ho anao ka manaiky ve ianao handeha amin’ilay làlana ?

Hoy i Jesoa « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana,… » Jao.14/6. Raha manaiky hiditra eo amin’ilay làlana ianao (Jesoa io), dia ho tonga any amin’ilay fara-tanjon’Andriamanitra : ilay fiainana mandrakizay.

Ao amin’ny Jer.31/21 « Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao » in-telo averina ilay hoe làlana. Ny làlana rehetra nodiaviko niaraka tamin’i Jesoa dia asiana famantarana ! Ny dikan’ny famantarana dia fahatsiarovana. Hoy i Jesoa « izao no hataovy ho fahatsiarovana Ahy »

Ry FJKM Katedraly Analakely, tsarovy ny làlana efa nalehanao sy ny zava-tsoa rehetra noraisinao tamin’Andriamanitra tao anatin’ny 160 taona !

Antso : Tsarovy ilay làlana (Jesoa) !

3- Ry FJKM Katedraly Analakely, manorena tsangam-bato

Ao amin’ny Jos.4/1-7 no ahitana ny dikan’ny tsangam-bato : « …Mandehana eo alohan’ny fiaran’i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan’i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ny firenen’ny Zanak’Isiraely, mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ireo vato ireo? dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Jehovah; fa raha nita an’i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny Zanak’Isiraely. »

Baiko tsy maintsy atao ny fahatsiarovana ! Tsy vitan’ny Fanasan’ny Tompo ihany ny fahatsiarovana fa tena mazava be ao amin’ny Jos.4 : Manaova tsangam-bato ho fahatsiarovana ! 160 taona izay no nitantanan’Andriamanitra ny FJKM Katedraly Analakely. Mila fahatsiarovana Andriamanitra hanehoana amin’ny endrika hita maso fa nisy fitahiana nomeny ny FJKM Katedraly Analakely tao anatin’ny 160 taona.  

Ny tsangam-bato izay ataontsika, tsy hoe mari-pahatsiarovana fotsiny, fa fijoroana vavolombelona amin’ny taranaka ao aoriana (Jos.4/6-7).

Antso : Meteza re hametraka izany tsangam-bato izany !

Satria Kristy no fehizoro indrindra, rehefa nidiran’i Kristy aho dia izaho mihitsy no tsangam-bato velona azo tsapain-tànana, ary izaho no ho fitaovana hanao ilay tsangam-bato hitan’Andriamanitra ho fijoroana vavolombelona eny amin’izao tontolo izao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email