FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Jesoa ilay irak’Andriamanitra, mikendry ny famonjena ho an’ny olona rehetra

Toriteny Alahady 16 May 2021 – Mat 12, 14-21

1. Niala tamin’ireo sakana izay mety tsy hahatanteraka ny famonjena

Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana no fara-tampon’ny famonjena, làlana izay efa namboarin’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Teo anatrehan’ny asa fitoriana izay nataon’i Jesoa dia nisy foana ireo nikendry ny hahafaty azy, ka mety tsy ho tonga amin’ilay làlana efa nomanin’Andriamanitra dia ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Hain’i Jesoa anefa ny niala izany satria te hanohy hatrany ny fanafahana ny olona anatin’ny geja Izy. Isika mpitory ny filazantsara ankehitriny koa dia hasain’ny Tompo hiombona tanjona aminy, dia ny fitoriana ny famonjena vitany ary ny fahaizana miala ireo mety sakana amin’izany.

2. Nametraka fandaminana mazava

Mba hahalavorary ny asa fitoriana dia nametraka lamina tamin’ireo vahoaka nandray ny famonjena i Jesoa ka nandrara azy ireo tsy hilaza ny momba Azy. Miteraka sakana ho an’ny fanohizana ny asa mantsy izany raha fantatry ny olona fa Izy no ilay Mesia ka tsy tanteraka ny famonjena teo amin’ny hazo fijaliana. Ho fiombonana tanjona amin’i Jesoa dia adidin’ny mpitory ny Filazantsara ny mametraka lamina mba hotanteraka hatramin’ny farany ny asa izay nankinin’ny Tompo.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email