FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Meteza ho kristiana tsara voatra, meteza ho kristiana mijoro vavolombelona

Toriteny Alahady 01 Aogositra 2021
Efesiana 2 : 8-10

Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.” (Efes. 2/10)

Ny tanjon’ity Toriteny ity dia izao : ny hahafantaranao tsara ny antony hiangonanao. 

1- Meteza ho kristiana tsara voatra

Tena misy ny kristiana ratsy voatra ! Iray tamin’ny mpianatr’i Jesoa no anisan’ny voalohany indrindra amin’ny kristiana ratsy voatra. “Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra. Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?” (Jao. 6/69-70). I Jesoa tenany no niteny fa iray tao anatin’ny mpianany no ratsy voatra. Tsy i Jesoa mpanamboatra no ratsy, fa lay olona no tsy manaiky amboarina ! 

Raha hiverenana vakiana ny Efes. 2/10 dia in-3 ny Soratra Masina no mitantara fanamboarana :

  • fa asany isika” 
  • voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara” 
  • izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy

Ny hoe “voaforona” dia avy amin’ny matoanteny grika hoe κτίζω (ktizò) izay midika hoe “rendre habitable”. Izany hoe, ny hamboarin’Andriamanitra eny aminao dia izay hahatonga anao azo honenan’i Jesoa, hahatonga anao azo honenan’ny Fanahy Masina. Mba hahatonga anao azo honenana ka ho tanteraka aminao ilay teny hoe “Amintsika Andriamanitra” dia apitipitik’Andriamanitra daholo izay ratsy rehetra ao anatinao amin’ny alalan’ny famelan-keloka. Izany no atao hoe olona manaiky amboarina. Ny mahamaika an’i Jesoa dia izao : voalohany, noforonina ianao ara-nofo fony ianao vao teraka mandrapahatonga anao mandray an’i Jesoa. Tsy tonga dia miditra ao Izy fa amboariny aloha ianao mba hahatonga Azy afaka monina ao amin’ny fombany : esoriny izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny Sitrapony rehetra amin’ny fiteny, amin’ny fihetsika, amin’ny sakafo. Izay ilay atao hoe fanamboarana, ary izany no atao hoe famonjena.

Ny anton-dia aty am-piangonana dia izao : makaty am-piangonana ianao mba ho amboarina. 

📌Ny fanamboarana voalohany dia ny fahamasinana. Ny hoe “masina” dia avy amin’ny teny hebreo hoe קָדַשׁ (qadash) izay midika hoe : fahafenom-piainana (io ilay fiainana mandrakizay), fahafenon-kery (io ilay hahafahanao miatrika ny problèmes anao rehetra). Raha avadika amin’ny teny frantsay dia plénitude. Hanovo fahamasinana no antony ankanesana aty am-piangonana mba hanananao fahafenom-piainana sy fahafenon-kery. Izay ianao no lazaina fa kristiana tsara voatra. Miditra ao am-piangonana ianao, tsy manan-kery, mivoaka ao ianao rehefa avy nanononana fahamasinana, feno hery, izay ianao vao irahina.

📌Ny fanamboarana faharoa dia ny fiadanana. Ny teny hebreo שָׁלוֹם (shalom) dia midika hoe état intact, izany hoe tsy misy tomika. Tsy misy azo kianina eny aminao, rehefa hiasan’Andriamanitra ianao. Izany no atao hoe fiadanana. Miditra ao am-piangonana ianao, hanononana fiadanana, mivoaka ao ianao, hanononana fiadanana. Mba ho état intact ianao rehefa irahana.

Ny manahirana anefa dia izao : marary ny fanamboaran’Andriamanitra. Fa tsy maintsy miaritra ianao rehefa amboarina.

2- Meteza ho kristiana mijoro vavolombelona

Ny kristiana tsara voatra dia mijoro vavolombelona. “Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara“. Misy olona manolana tenin’Andriamanitra. Ny ao amin’ny Mat. 6/3 milaza hoe : “Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ny tananao ankavanana.” izany hoe raha manao fiantrana (aumône) no afenina fa ny fanaovana  asan’Andriamanitra tsy afenina. Ny marika hamantarana fa kristiana tsara voatra dia hitan’ny olona ny asa tsara atao. 

Anio àry, ny fanamboaran’Andriamanitra anao dia misy antony, tsy hoe amboarina fotsiny tsotra izao ianao dia eo, fa amboarina hanao asa tsara.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email