FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Miorena tsara – Mahereza tsara – Miasà tsara

Fandraisam-pitenenana nataon’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, Filohan’ny FJKM, Alahady 17 janoary 2021, Antsonjombe.

1- Miarahaba ny tsirairay nomen’ny Tompo taona vaovao

2- Mbola tsy lasa ny coronavirus ka mila mitandrina isika @ fanarahana fepetra, indrindra ny arovava sy orona sy ny elanelana (mizara aina mantsy ny fiangonana fa tsy sanatria aretina)

3- Isaorana ny Tompo ny amin’ity fotoana ity na dia teo àry ny tsaho naely fa hoe tsy hisy izy ity

4- Teny zaraina ho an’ny rehetra, Isaia 45, 2: “handroso eo alohanao Aho”
IZY izany no mitarika, fantany izay haleha, ho entiny any amin’ny tanjona kendreny isika, izay tanjona tsara mandrakariva, Izy no mifanandrina amin’izay hery mifanandrina, isika hanaraka Azy amin’ny fitiavana.

5- Hafatra manokana TELO :

MIORENA TSARA
– Mila marina ny fibebahana ;
– Manaiky marina an’I Jesoa ho Mpamonjy ;
– Miorina tsara amin’ny fivelomana amin’ny tenin’Andriamanitra.

MAHEREZA TSARA
– Maro ohatra ny za-dratsy lasa tsy miangona intsony tamin’ireny tsy fisokafan’ny fiangonana ireny koa mazotoa miangona ;
– Mahereza amin’ny fanefana ny adidy, enga anie isika ho toy ny kristiana makedoniana (II Korintiana 8, 1-5), raha marina ny fanoloran-tenantsika dia malalaka ny tanana amin’ny fanolorana ho an’Andriamanitra ;
– Mahereza amin’ny vavaka ary mivavaha manokana ho an’ny Synoda lehibe isak’Alahady any amin’ny isam-pitandremana, tsarovy am-bavaka ny Filohan’ny FJKM satria amin’ity taona ity dia sady hisahana ny FFPM ihany koa.

MIASÀ TSARA
Misy toerana telo asongadina manokana ilàna ny fifanomezan-tanana avy amintsika :

  • IMERIMANDROSO AMBATONDRAZAKA ivo-toerana fanofanana mpampianatra, hiara-hiasa amin’ny TOMPO isika ho famitana izany satria zava-dehibe loatra ny resaka fampianarana ( Marihina fa nomen’ny Filohan’ny FJKM ho anjara biriky amin’izany ny vola natolotra azy tamin’ity Alahady ity)
  • IVATO izay misy ny Toeram-panomanana Mpitandrina, tsangam-baton’ny faha 50 taona ny nananganana azy, izay isaorana manokana ny Fianakaviana Marc Ravalomanana tamin’ny anjara lehibe noentin’izy ireo. Mila ampitaovana anefa izy io ahafahana mandray ny mpianatra Mpitandrina, misokatra midanadana amin’ny rehetra ny varavaran’ny FJKM ho an’izay te hanolotra rehetra. Vitaina anatin’ny 3 volana ny asa. Afaka mifandray amin’ny Filohan’ny FJKM amin’ny laharana 033 11 210 53 manontany ny andinindininy.
  • ANDROY : mila vonjy aina ny any amin’ny alalan’ny fizaràna sakafo sy rano, efa nisy ny dingana voalohany natao notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, ny Doyen Faculté Théologie, ny Mpitandrina Atsimon’Imahamasina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo izay nandeha tany antoerana t@ desambra 2020, miaraka amin’ny Synodamparitany Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona. Tohizantsika izany ka ny fanampiana rehetra dia azo alefa amin’ny Compte bancaire SP 07 KERE, SOCIETE GENERALE MADAGASCAR TOLAGNARO, 00008 00730 05004011613 01, afaka mifandray ihany koa amin’ny Mpitandrina Prezida Synodaly Arthur Soja 034 74 77804.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email