FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Nitondra inona ny fiakaran’i Jesoa velona any an-danitra ?

Toriteny – Alakamisy 13 May 2021 – Andro niakarana – Asa 1, 6-11

1. Antoka hahazoana ny hery vao indray

Raha ny làlam-pamonjena nosoritan’Andriamanitra ho an’ny mino dia ny fiakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra no antoka iray nampidinan’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Midika izany fa mbola mitoetra ao anatin’ny mino hatrany Andriamanitra velona. Ny Fanahy Masina no hanome hery ho an’ny mino amin’ny asa fitoriana ny filazantsara izay nanirahan’ny Tompo azy. Ny Fanahy Masina ihany koa no hitondra fiadanana ho an’ny olona rehetra izay mino. Noho izany hampioreno ny finoana, mijoroa hatrany amin’ny asa nanirahan’ny Tompo.

2. Antoka hiveloman’ny fanantenana ilay Fiainana Mandrakizay

Endrika feno alahelo no nisarahan’ny mpianany tamin’i Jesoa Kristy, raha Izy niakatra tany an-danitra. Fifaliana anefa no nolazain’ny anjely, fifaliana noho ny fanantenana fa Izy niakatra iny dia mbola hiverina indray ka hitondra izay mino Azy ho any amin’ny Fiainana mandrakizay. Ny fanantenana dia ny fiavian’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany izay nanomana ilay Fiainana Mandrakizay.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email