FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY ANTSON’ILAY MANDRAKIZAY

Toriteny Alahady 11 Jolay 2021
Eksodosy 3 : 7 – 14

1- Fanafahana

Ny zavatra mitranga eto amin’izao antso izao dia izao : ny zanak’Israely mihazakazaka makany anaty fahafatesana satria nanamboatra fasana ngeza be (pyramide) tany Egypta izy ireo tamin’izany. Tsy tian’Andriamanitra hilona tao anaty fahafatesana anefa izy ireo satria Andriamanitry ny fahavelomana mandrakizay Izy. Noho izany, Izy IZAY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY (Eks.3:14) no niantso ny zanak’Israely sy nanafaka azy ireo tao anatin’izany fikolokoloina fahafatesana izany.

Fa be dia be ny olona mbola tavela ao anaty fahafatesana. Ary amin’Andriamanitra dia fahoriana izany filonana ao anaty fahafatesana izany (Eks.3:7). Izy no miantso ka manao hoe : “Avoakako tao ianareo, ary satria Mandrakizay Aho no miantso anareo dia omeko fiainana mandrakizay ianareo.” (Jao.10:10). Saingy izao, misy zavatra tsy maintsy hialàna aloha ao : dia ilay tiatianao rehetra. Fa be dia be ny olona tsy mety hafahana ! Misy olona makaty am-piangonana nefa tsy mandrakizay no tadiaviny. Mahavariana fa ny zanak’Israely nalàna tao anaty fahafatesana kanefa fahafatesana ihany no tiany (Eks.16:3). Naleony ihany tany Egypta na ho faty any aza satria nihinan-kena, toy izay miaraka amin’Andriamanitra dia mahazo fiainana mandrakizay.

➡️ Te hanafaka anao ao anatin’ny gejan’ny fahafatesana Ilay Mandrakizay, fa manaiky ve ianao halàna ao, ka antsoiny mba omena ilay fiainana mandrakizay ?

2- Maniraka

Zavatra roa no mitranga eto :

  • Mosesy raha mbola tsy niaraka tamin’Andriamanitra, dia ny fahakelezany no hitany (Eks.3:11). Tsy takatry Mosesy fa izay irahin’Andriamanitra dia ny Herin’Andriamanitra no hampidiriny ao anatiny, fa tsy ny herin’ny tenany. Noho izany, aza mba mandrefy tena rehefa irahin’Andriamanitra.
  • Mosesy rehefa niaraka tamin’Andriamanitra dia nahavita zavatra tsy nampozina. Nanaovan’Andriamanitra asa ngeza be ny tehina teny amin’i Mosesy. Rehefa irahin’Andriamanitra ianao dia hidirany ny tontolom-piainanao sy ny fanananao manontolo ho fahombiazana amin’ny asany. Fa be dia be ny olona amin’izao fotoana, tsy avelany hidiran’Andriamanitra ny fananany.

➡️ Maniraka anao Andriamanitra, meteza ho fitaovana mahomby eo am-pelatanan’ny Tompo na ny fananana eo am-pelatananao, na ny tenanao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email