FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ny fahombiazan’ny antso

Toriteny Alahady 25 Jolay 2021 
Isaia 6 : 1-8

1- Nahomby ny antson’Isaia satria nahita ny fahalehibiazan’Andriamanitra izy

Misy endrika telo hitantaran’Isaia ny fahalehibiazan’Andriamanitra :
– ny toerany,
– Izy Andriamanitra,
– ny fahamasinany

Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’akanjony nahafeno ny tempoly” (Isa. 6/1). Vao niditra tao amin’ny tempoly Isaia, ny hitany sy nanaitra azy voalohany indrindra dia ny fahalehibiazan’Andriamanitra, izany hoe ny toerana misy an’Andriamanitra “avo sady manerinerina” sy Izy Andriamanitra mihitsy satria “ny ebaneban’akanjony nahafeno ny tempoly.” Ny fanontaniana mipetraka dia izao : miditra ato amin’ny tempoly ianao, inona no hitanao voalohany ? Ny fahalehibiazan’Andriamanitra ve ? Rehefa mahita ny fahalehibiazan’Andriamanitra mantsy ianao dia lasa matahotra an’Andriamanitra. Ary rehefa matahotra an’Andriamanitra ianao dia ho afa-tahotra amin’ny fahavalo ka hahatonga ny fahombiazan’ny antsonao.

Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.” (Isa. 6/3). Lehibe ny fahamasinan’Andriamanitra ary niharihary tamin’Isaia izany rehefa niditra tao an-tempoly izy. Ianao kosa rehefa miditra aty am-piangonana, fahalehibiazan’iza no hitanao ? 

Anio àry dia miantso anao Andriamanitra, te haneho ny fahalehibiazany Andriamanitra ao amin’ny tempoliny, fa ny fanontaniana dia hoe : tsy misy sakatsakana ve ny hahitanao ny fahalehibiazan’Andriamanitra, sao mbola zavatra hafa no hitanao lehibe ?

Ao amin’i Jesoa izany zavatra izany no tanteraka. Jesoa dia nirahan’Andriamanitra teto an-tany mba haneho ny fahalehibiazan’Andriamanitra. Ka raha mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ianao dia afaka haneho ny fahalehibiazan’Andriamanitra koa ary afaka hahita ny fahalehibiazan’Andriamanitra ao ambadik’izay. 

Tsy misy antso mahomby raha tsy hitanao aloha ny fahalehibiazan’Andriamanitra.

2- Nahomby ny antson’Isaia satria rikorikom-pahotana izy

Vao nahita ny fahalehibiazan’Andriamanitra Isaia dia nijery ny tenany haingana. Nanao fampitahana izy hoe manao ahoana izy mihoatra amin’Andriamanitra. Toy izao ny valin’ny fandinihan-tenany : “Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko.” (Isa. 6/5). Rehefa nahita ny tenany izy ka nampitahainy tamin’ny fahalehibiazan’Andriamanitra, dia olona feno fahotana no hitany. Ary nahatsapa izy fa tena ratsy ilay feno fahotana (“Lozako !”). 

Fa tsy nijanona hatreo amin’ny fandinihan-tena ihany Isaia fa niafara hatrany amin’ny famelan-keloka. “Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain’afo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ny ny tandra avy teo amin’ny alitara. Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.” (Isa. 6/6-7). Nanomboka teo Isaia dia olona madio. 

Rehefa mahita ny fahalehibiazan’Andriamanitra ianao, dia tsy ho tia fahotana intsony, toa an’i Jesoa. Hoy Izy : “Tsy tonga Aho hiantso ny marina, fa ny mpanota hibebaka.” Ianao tian’i Jesoa, fa ny ota ao anatinao no tsy tiany. Noho izany, io ianao mpanota io no antsoin’i Jesoa, dia tarihiny ianao hibebaka toa an’Isaia lasa rikorikom-pahotana. Ary rehefa avy mibebaka ianao, dia madio amin’izay manomboka eo ary mahita fahombiazana amin’ny antsonao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email