FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY KRISTIANA TENA TIA TANINDRAZANA

Toriteny Alahady 27 Jona 2021 – 2 Mpanjaka 22 : 11-20

Alahady miavaka anio satria ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenentsika, dia ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Nahazo fahaleovan-tena isika, lasa mahaleo tena isika, tsy miankin-doha na amin’iza na amin’iza isika, fa mahavita tena isika. Kanefa kosa ambaran’ny tenin’Andriamanitra fa tsy afaka mitoky amin’ny herin’ny tenantsika isika, fa ny tena fahaleovan-tenan’ny firenena dia izay manao hoe : “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.”

Ao anatin’izany ny mpitondra fanjakana, ao anatin’izany ny vahoaka hoentina. Fa moa ve sambatra isika ? Moa ve miadana ny Malagasy ? Raha tsy sambatra isika, misy fanontaniana mipetraka hoe : “Fa maninona ?” – Valiny : Tsy sambatra isika satria tsy manana an’i Jehovah ho Andriamanitra.

Ity perikopa androany ity dia entina hanaporofona fa miankina amiko sy aminao ny fahasambaran’ny firenena na ny fahapotehan’ny firenena. Ka ny kristiana miorina amin’ny finoana tena tia tanindrazana dia :

1- Tsy manompo sampy

Raha mbola misy kristiana manompo sampy, raha mbola misy vahoaka manompo sampy, raha mbola misy Malagasy manompo andriamani-kafa na manao zavatra ho ambony noho Andriamanitra, dia tsy maintsy ho loza no hanjo ny firenentsika ! (2 Mpanjaka 22 : 17)

2- Mankato ny tenin’Andriamanitra

Ny kristiana izay tena tia tanindrazana dia maniky hanarina sy hahitsy ary mibebaka manoloana ny tsy fahatanterahana (2 Mpanjaka 22 : 19). Ataon’Andriamanitra tsy mahita loza ary hoentiny amin’ny fiadanana isika raha mino anatra, raha mba nandre ny tenin’Andriamanitra ka nankato izany sy niaiky ny amin’ny tsy fahatanterahana ary nanetry tena.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email