FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY TENA KRISTIANA MPINO

Toriteny Alahady 06 Jona 2021 – Genesisy 7 : 1-5

1. MANAIKY NY TSY HITA MASO

📌 Famaritana ny Finoana : “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” Heb. 11/1
📌 Famaritana ny Fanantenana : “Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ny olona izay efa hitany ?” Rom. 8/24
➡️ Ny Finoana dia fahatokiana sy fanehoana ny zavatra tsy hita.

📌 Ny anjaran’ny Mpitandrina dia mitantara ny tsy hita maso miorina amin’ny Baiboly : Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina, ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, ny fiainana mandrakizay.
➡️ Ny toriteny dia hitantarana zavatra tsy hita : “Ny Finoana dia avy amin’ny toriteny.” Rom. 10/17
📌 Ny anjaran’ny Fiangonana dia manaiky ny tsy hita maso ka ho marina eo anatrehan’ny Tompo.
➡️ Tsy ny fihetsika atao no maha-marina fa ny fanekena ny tsy hita maso.

Miorina amin’ny inona ny Finoanao ? Miorina amin’ny hita maso ve (vola, fananana, harena, fahaizana, sns) ? Sa tena miorina amin’ny tsy hita maso ?

2. MAMADIKA IO TSY HITA MASO IO HO LASA ASA

📌 Na inona na inona atao dia lasa mibaiko ny fiainana Ilay tsy hita maso nekena izay miteny amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Io no mivadika ho asa ary lasa fiainana satria mahita fa marina Ilay tsy hita maso notantaraina.
➡️ Tombontsoan’ny Finoana : Fiainana mandrakizay

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email