FJKM KATEDRALY ANALAKELY

OLONA MANAO AHOANA NO HITENENAN’I JESOA TAHAKA AN’I BARTIMEO ?

Toriteny Alahady 18 Jolay 2021
Marka 10 : 46 – 52

Inona no tianao hataoko aminao ?” hoy i Jesoa Kristy. Ilay tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany no mametraka fanontaniana. Fanontaniana tsy mipetrapetra-poana ary fanontaniana tsy atao amin’ny olona rehetra fa fanontaniana apetrak’i Jesoa Kristy amin’ny olona tahaka an’i Bartimeo jamba, mpangataka eo amoron-dàlana. Raha eo amin’ny fiaraha-monina, tsy mahamenatra ny miteny izany, tsy misy valeur izany olona sady jamba no mpangataka izany. Nefa maninona moa i Jesoa no mametraka izany fanontaniana izany amin’izany lehilahy izany ? Satria izy ilay olona manao ezaka ny hifandraisany amin’Andriamanitra, miezaka hanakaiky an’Andriamanitra. Olona manao ahoana àry no hitenenan’i Jesoa tahaka an’i Bartimeo ?

1- Olona mibebaka

Noho ny finoan’i Bartimeo, dia tsy ny hampahiratina ny masony sy ny hahatonga azy hanan-karena avy hatrany no nangatahiny raha niantsoantso teo amoron-dàlana izy. Fantany tsara fa mpanota izy, nefa nino izy fa Jesoa Kristy afaka manala ny elanelana nanasaraka azy amin’Andriamanitra (Isa.59/2). Ka raha vao nandre izy fa mandalo Jesoa, dia ny famindram-po no nangatahiny tamin’i Jesoa Kristy (Mar.10/47). Ary na dia nampangina azy aza ny manodidina, dia tsy nisy nahasakana an’i Bartimeo hiantso an’i Jesoa hamindra fo aminy.

Izaho sy ianao koa, izay mba te ho anontanian’i Jesoa an’izany fanontaniana izany hoe “Inona no tianao hataoko aminao ?” dia mila mibebaka aloha isika.

2- Olona manao dingana manatona an’i Jesoa

Raha niantso Jesoa hoe : “Antsoy ilay jamba” dia nanao dingana ity lehilahy ity. Na jamba aza izy, dia “nanary ny lambany ka niantsambotra nankeo amin’i Jesoa Kristy” (Mar.10/50). Nanala izay nanelingelina teny aminy izy hahafahany manatona an’i Jesoa. Ary efa nahatsiaro voavela heloka i Bartimeo izay izy vao niteny ny olany dia ny hampahiratina ny masony (Mar.10/51).

I Jesoa Kristy dia miteny mihitsy hoe : “Izay manatona Ahy, tsy holaviko mihitsy.” Fa mila tafaombona aina sy vita fihavanana amin’Andriamanitra aloha isika vao afaka mitondra ny olantsika eo Aminy (Mat.7/8-10).

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email