FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Fandraisan-tànana ny Mpitandrina

« Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako…fa miezaka aho ny hihazona..eny miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesoa. »
Asa 20.24a – Fil 3.12-14

Taoriana ny roa taona niasàny teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia hiroso amin’ny fandraisan-tànana ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny ankohonany ny Fiangonana FJKM Katedraly Analakely.

Raha ny foto-dalàna FJKM dia ny synodamparitany no miandraikitra ny fametrahana ara-pombam-piangonana ny Mpitandrina, ka ny Alakamisy faha 18 Febroary 2021 no daty raikitra teo amin’ny Synodam-paritany Iarivo Avaradrano sy ny Fiangonana FJKM Katedraly Analakely.

Fotoan-dehibe ho an’ny fiangonana io, satria fanehoana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, eo amin’ny fiangonana sy ny Mpitandrina.

Fiangonana miisa 130 eo anivon’ny SPIA 19 no hasaina, ary hofaranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.

Tsara ny manamarika, fa nandalo fankatoavana teo anivon’ny ambaratongan-drafitra eto amin’ny fiangonana izany fanapahan-kevitra izany, vao afaka nentina teny amin’ny Synodamparitany.

Ny Alahady faha 21 Febroary 2021 kosa no hiarahaban’ny Fiangonana Katedraly Analakely ny Mpitandrina, ka ankoatra ny fotoam-pivavahana, dia hisy ny sakafo AGAPE, izay hanasan’ny Mpitandrina ny kristiana rehetra eto amin’ny fiangonana.

Nandritra izay roa taona nitandremany izay, dia nilofosan’ny Mpitandrina hatrany ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny toriteny isan’ Alahady, ny fandefasana amin’ny tambazotra-tserasera isan’andro ny Mofonaina, ny fampiofanana tsy tapaka isam-bolana ny Loholona sy ny Diakona.

Araka izany dia mendrika ny hotohanana ny Mpitandrina satria tena nijoro tamin’ny maha raiamandreny ara-panahy azy izy. Ka dia misy ny fanangonana valopy manokana ho fandraisan-tànana ny Mpitandrina, izay homanin’ny fiangonana ka hatolotra azy manontolo, ny Alahady faha 21 Febroary 2021 ho avy izao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email