FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FANOKANANA LOHOLONA SY DIAKONA ANDIANY “FINOANA”

Nandritra ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 07 jolay 2019 teo no notanterahina ny fanokanana sy fandraisan-tànana ireo Loholona sy Diakona voafidy hiasa mandritra ny efa-taona manaraka. Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Hobinirina Harisoa, Mpitandrina sy RAVELOSOA Andriamamonjy Mickaël, Mpitandrina no niara-nisalahy nanatontosa ny fiaraha-mivavaka.

43 no isan’ireo Diakona vaovao voafidy ka notokanana, 107 kosa ireo Diakona noraisin-tànana. 30 ny Loholona notokanana ary 102 ny Loholona noraisin-tànana. Ireo raha jerena ny antontan’isa ireo Loholona sy Diakona izay mitondra ny anarana andiany “FINOANA”. Araka ny Foto-dàlana sy Fitsipika FJKM moa dia tsy maintsy niofana ny Loholona sy Diakona ka nahatratra roa ambin’ny folo no isan’ny fiofanana, izay notanterahina nandritra ny telo volana.

Fotoana iray nitondran’ny Mpitandrina RAVELOSOA hafatra mafonja ho an’ireo Loholona sy Diakona koa io alahady io. Tao amin’ny bokin’ny Eksodosy 33, 3-11 no nisintomany ny toriteny. Mitantara indrindra ny fitadiavan’i Mosesy ny fihaonana amin’i Jehovah. Nozarain’ny Mpitandrina ho roa ny hafatra ka nomeny lanja tety am-boalohany ny fanatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny. Zava-dehibe ny fitadiavana io fanatrehany io. Ny lafiny faharoa kosa dia ny maha-sarobidy ny fihetsika sy fitondran-tena ety ivelany satria dia hotarafin’ny fiangonana ary hahasarika azy ireo izany.

Raha tamin’ny 7 ora sy sasany no nanomboka ny fotoana, vita soamantsara izany tamin’ny 11 ora sy sasany, niaraka tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email