FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FANISANA 2022

« …fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo » Lioka 10, 20b
« ..Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana.. » Efesiana 3, 15

Manatanteraka ny fanisana ny mpiangona ankehitriny ny FJKM Katedraly Analakely, izany dia mba hanadiovana sy hanatsarana ny lisitry ny mpandray satria efa tamin’ny taona 2018 no nanaovana izany farany. Ny komitin’ny Fanisana izay nitsangana tamin’ny volana martsa 2022 no nanakinan’ny fiangonana izany. Logiciel anankiray novokarin’ny zanaky ny fiangonana no hitantanana izany manomboka izany ka mitondra ny anarana hoe “Data Base Katedraly Analakely” na DBKA.

Toy izao ireo fepetra hanatanterahina ny fanisana :
Misy aloha ireo efa mpandray ny Fanasan’ny Tompo izay efa voasoratra anarana ka miangona sy manao ny adidy. Izy ireo dia mameno fotsiny ny taratasy fanisana ary mamerina izany.


Misy kosa ireo efa mpandray ny Fanasan’ny Tompo voasoratra anarana teto amin’ny FJKM Katedraly tany aloha fa noho ny antony maro samihafa dia voatery nifindra fiangonana. Raha maniry ny hiverina ato amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia mangataka Diakona anankiroa hanamarina fa efa mpandray teto tany aloha.

Raha mpandray voasoratra anarana any amin’ny fiangonana FJKM hafa dia mitondra ny taratasy fifindrana ka mihaona amin’ny Mpitandrina.


Raha efa mpiangona tato amin’ny FJKM Katedraly Analakely kosa hatramin’izay, kanefa tsy mbola voafindra fa voasoratra any amin’ny fiangonana rahavavy : KATOLIKA, LOTERANA, ANGLIKANA dia misy fiofanana tsy maintsy hiarahana amin’ny Mpitandrina izay vao afaka horaisina ho isan’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

Ny ankoatr’izay dia amin’ny alalan’ny fianarana KATEKOMENA ihany no hahafahana miditra ho isan’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

Tsara homarihina fa :
– azo atao tsara ny mijanona ho mpivavaka tsotra, tsy voasoratra anarana fa tonga isaky ny misy fotoam-pivavahana.
– Manao adidy isam-bolana rehefa Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ary misy ny karatra hanamarihana izany.

Manomboka izao dia hisaina ihany koa ireo ankizy rehetra zanaky ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ary hahazo Karatra maha-mpiangona ao amin’ny Katedraly Analakely izy ireo arak’izany.

Azo alaina eto ny taratasy fanisana ho an’izay mbola tsy nahazo.

Afaka haterina isaky ny alahady ny taratasy fanisana voafeno tsara. Azo haterina ao amin’ny mpandraharaha ihany koa fa hatao anaty valopy misy soratra « KOMITY FANISANA »
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email