FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FARITRA, fomba fiasa manakaiky ny mpiangona

Andry iray lehibe ijoroan’ny fiangonana ny fiombonan’ny mpino ao aminy ary ny fifanatonany akaiky. Ny famantarana ny zava-misy eny ifotony koa dia tena manamora ny asa. Ireo no tanjona kinendry amin’ny fitsinjaram-paritra, fomba fiasa vaovao apetraka tsy ho ela eto amin’ny FJKM Analakely. Araho etoana ny fanazavana mahakasika izany.

MANAMAIVANA NY ASA NY FITSINJARAM-PARITRA
Tsy rafitra akory fa lamin’asa tsotra ny fizaram-paritra. Tsy rafitra satria ny tompon’anjara na mpandrindra faritra dia mifandray mivantana amin’ny fiangonana. Tsy rafitra satria tsy lalàna napetraky ny Foibe ny fisian’ny faritra na dia saika manao izany avokoa aza ny isam-pitandremana. Tsy manan-jo handray fanapahan-kevitra ny faritra fa rantsana eny ifotony voatendry hanatanteraka izay hevitra tapaky ny fiangonana izy.
Mpanangona sy mpitatitra ireo vaovao eny an-toerana : izay raha atao bango tokana no asan’ny mpandrindra faritra. Ny fiangonana avy eo no manapaka ny hetsika atao manoloana izany. Ny faritra no mahalala izay marary tokony hovangiana, izay maty tokony anefana ny adidy farany ary tombony lehibe ho an’ny mpitandrina izany satria manamora.ny fandaminan-draharaha. Marihina etoana moa fa na ny fiangonana reniny, na ny sampanasa, na ny fikambanana, na ny sampana, na ny komity dia mahazo mampiasa ny faritra avokoa.

« Ho haingam-piasa kokoa ny fiangonana amin’ny famaliana ny filàn’ny mponina eny an-toerana », hoy ny mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël, velom-panantenana. Hetsika mahafinaritra azon’ny Sampana Vokovoko Manga atao ohatra ny fanatonana ireo tanora voafatotry ny fimamoana sy ny fisotroan-toaka, hoy hatrany izy. Ny faritra no miara-miasa akaiky amin’ny sampana mba hanoro ireo toeram-pisotroana eo anivon’ny fokotany. Toy izany koa no fomba fiasa amin’ny fampandraisana an-trano rehefa misy marary sy mana-manjo.

MAMPIFANATONA AKAIKY KOKOA NY MPINO NY FARITRA
Ny fifanohanana eo amin’ny mpianakavin’ny finoana : izany koa no tiana hamafisina amin’izao famakiana ny fiangonana ho faritra maromaro izao. Noforonin’Andriamanitra ho olon’ny fiaraha-monina isika, hoy ny mpitandrina. I Noa dia niara-nandeha tamin’Andriamanitra nefa koa voalaza fa tsy nisy tsiny tamin’ny olona niara-belona taminy, araka ny Gen 6:9. Amporisihina ny mpino hifankatia, hifampitsinjo, hifampitondra tahaka ny ankohonana iray ao amin’ny Tompo. Raha tompon’orinasa ny Kristianina iray ka mila comptable, dia eo anivon’ny faritra izy aloha no tokony handefa ilay tolotr’asa izy mba hizaha raha misy mpino manana traikefa azo omena io toerana io na tsia. Ny fetim-pifaliana, ny fiaraha-misakafo, ny tolo-tanana ho an’ny mahantra dia anisan’ny fijoroana vavolombelona azo atao avokoa hanehoana ampahibemaso ny fifamatoran’aina eo amin’ny mpino. Tsy niainga avy amin’ny fikasan’olombelona fotsiny araka izany fa misy fototra ara-tsoratra masina ny fametrahana ny faritra.

NY LOHOLONA SY DIAKONA ISAM-PARITRA NO MITARIKA

Araka ny fandaminana dia nozaraina isaky ny faritra misy azy avy ihany koa ireo Loholona sy Diakona am-perin’asa. Misy ireo hatao hoe “MPANDRINDRA FARITRA” izay misolon-tenan’ny fiangonana any anaty faritra, ka ny Loholona sy Diakona no mandrafitra izany ary azon’ny Kristiana tohanana sy hotronina amin’izay asa rehetra. Miara-miasa avy hatrany amin’ny Mpitandrina izy ireo. Araka ny voalaza etsy ambony dia mitondra teny midina sy miakatra izy ireo : avy amin’ny fiangonana makany amin’ny mpiangona, na koa avy amin’ny mpiangona makany amain’ny fiangonana.

Ankoatr’izay dia mandrindra sy manatanteraka ny famangiana tokony hataon’ny fiangonana izy ireo ka ny lehibe amin’izany ny famangiana manjo sy marary. Misy ihany koa anefa ireo famangiana izay fanaon’ny fiangonana any amin’ny faritra dia ny :

  • Famangiana “ecclesiastique” : ny fiangonana no tonga mamangy any an-tokantrano ka ny Mpitandrina, ny Mpandrindra Faritra ary ireo mpiangona isam-paritra no manatanteraka izany.
  • Famangiana “sectoriel” : ka ny Mpitandrina no tonga mamangy ny faritra iray, noho ny fangatahina manokana. Mety ohatra hoe fitondrana am-bavaka ny zanaky ny faritra izay hiatrika fanadinana.
  • Famangiana “pastoraly” : izay hataon’ny Mpitandrina irery ihany any an-tokantrano.

Ny mpiangona kosa izay maniry hanatanterahina ny famangiana dia manatona avy hatrany ireo MPANDRINDRA FARITRA fa izay no tena antom-pisiany.

LISITRA ISAM-PARITRA

Ny fanisana izay notontosaina ny taona 2022 teo no hiaingana ka nahafahana namoaka ny lisitry ny Kristiana voasoratra anarana ato amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Marihina fa mbola mitohy ny fanisana fa kosa hifarana ny jaonary 2024, satria hiatrika ny fanavaozana ny fiangonana ny taona 2024, araka ny tetiandron’ny FJKM.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email