FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HAFATRY NY FILOHAN’NY FJKM – TAONA 2020

Ny Filohan’ny FJKM, mamangy  antsika rehetra amin’ny Anaran’i JESOA KRISTY, amin’izao Taona Vaovao 2020 izao: “I JESOA KRISTY NO TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY MANDRAKIZAY! Koa AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON’NY TOMPONTSIKA! DIA MIORENA TSARA, AZA MIOVA!”

Izany teny izany no omen’ny Tompo JESOA antsika ka entina iarahabana antsika rehetra amin’ity taona vaovao 2020 ity.

Deraina Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina noho ny fitantanany mahagaga tamin’iny taon-dasa 2019 iny. Toy ny taona rehetra hatramin’izay dia nifamahofaho tao ny noheverintsika hoe “soa” sy izay nolazaintsika hoe “ratsy”. Ary ankehitriny, niova indray ny marika ka ny “19” niova ho “20”. Eny, miovaova izao rehetra izao, fa“I JESOA KRISTY NO TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY MANDRAKIZAY!” (Heb.13,8). Izay miorina eo Aminy no tsara fototra! Ity taona vaovao 2020 ity anie, ho mainka koa hivelomantsika araka izany!

Deraina Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina noho ny nanomezany antsika FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA ny efa-taona niainana ny teny faneva hoe:” KOA AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON’NY TOMPONTSIKA!”(2 Tim.1.8a). Dia nijoro tsy menatra tokoa isika ka nanatratra ny vina hoe:”VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA!” Deraina Izy Tompo fa tratrantsika ny tanjona: afaka nitory an’i JESOA KRISTY tany amin’ireo kaominina 407 mbola tsy tratrantsika hatramin’izay isika ka nahaorina Fiangonana olona na vondron’olona Mpiara-mivavaka sy fiangonana trano eo an-dalam-pananganana, na eo an-dalam-pamitana, na efa voatokana mihitsy aza! Ity taona vaovao 2020 ity anie, ho mainka koa hikirizantsika amin’ny fanitarana ny ambaindain’ny Filazantsara hitomboan’ny olom-bonjena!

Deraina Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina noho ny hiatrehantsika amin’ity taona ity ny Synoda Lehibe kasaina hatao any Sambava, raha sitrapon’Izy Tompo. Hanomboka eo dia hibanjina teny faneva vaovao isika, dia ny hoe:” MIORENA TSARA, AZA MIOVA!” ( I Kor.15.58a) Hoavy be voninahitra no miandry ny FJKM eto anivon’izao tontolo izao miharatsy sady mampidi-doza! Ny finoana an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty ambaran’io I Kor.15 nakana ny teny faneva io, dia Ilay Kristy velona miaraka amintsika FiangonaNY, no hany tokintsika. Tsy fantatsika ny hoavy, saingy azontsika antoka ny hoavy satria eo an-tanan’i Kristy no hoavy! Izany no iorenantsika Aminy amin’ny fomba tsy azo hozongozonina, tsy miova!

Hotahina anie ity taona vaovao 2020 ity  ho antsika tsirairay avy sy ny ankohonantsika, ny sehatrasa misy antsika avy ary ny FJKM manontolo sy ny Firenentsika, hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra, IZY “IZAY MAHAY MANAO MIHOATRA NOHO NY ZAVATRA REHETRA, ENY, MIHOATRA LAVITRA NOHO IZAY REHETRA ANGATAHINTSIKA NA HEVERINTSIKA AZA, ARAKA NY HERY IZAY MIASA ATO AMINTSIKA, HO AZY ANIE NY VONINAHITRA AO AMIN’NY FIANGONANA SY AO AMIN’I KRISTY JESOA HATRAMIN’NY TARANAKA FARANY INDRINDRA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY. AMEN.” (Efe.3.20-21)

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email