FJKM KATEDRALY ANALAKELY

KATEKOMENA ANDIANY MINO – FANAKY NY FAMINDRAMPO

Fotoan-dehibe ny Alahady 08 janoary 2023 teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely satria notokanana ho mpandray Fanasan’ny Tompo ireo Katekomena izay nisalotra ny anarana hoe « MINO FANAKY NY FAMINDRAMPO » ka nandritra ny fidirana faharoa tamin’ny 10 ora maraina no nanaovana izany.

Azo lazaina fa efa miverina amin’ny laoniny tanteraka ny fianarana katekomena eto amin’ny FJKM katedraly Analakely raha nandalo fotoan-tsarotra noho ny valan’aretina COVID 19. Noho ny fihiboana mantsy dia niato elaela ny fianarana ka lasa tsy afaka niaraka notokanana ireo mpianatra. Ity andiany farany ity kosa no nampiverina tanteraka ny taom-pianarana ho feno satria ny volana febroary 2022 no nanomboka nianatra izy ireo.

Nisy ihany koa ireo noraisi-tànana

Nohararaotina ihany koa ny nandraisan-tànana ireo Kristiana avy amin’ny fiangonana rahavavy mivondrona ao amin’ny FFKM ka te ho isan’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Tsy maintsy nandalo fiofanana izy ireo araka ny voalaza ao amin’ny foto-dalàna.

FANAKY NY FAMINDRAMPO ( Romana 9, 19-26 )

Io no fanampin’anarana nosaloran’ireo andiany MINO ireo. Teny nosontomina tao amin’ny bokin’ny Romana. Refesin’Andriamanitra ny ezaka hatao amin’ny fanarahan-dia Azy ka mandona ny fony tokoa ny finiavana sy fitiavana hatolotra Azy. Onena (Mat 14, 14), izany hoe voadona sy marary  ny Tompo mahita ny olony manao ny asany ka izay no mahatonga ny fiantsoana azy ireo ho « FANAKY NY FAMINDRAMPO »

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email