FJKM KATEDRALY ANALAKELY

LISITRY NY MPIVAVAKA ETO AMIN’NY FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ry Havana,

Araka ny fanentanana nanomboka ny taona 2022 dia hiatrika ny fanavaozana ny biraon’ny rafitra isika ny taona 2024 koa ilaina ny manavao ny lisitra ny mpandray sy mpivavaka ato amin’ny fiangonantsika.

Nisy ny fanisana natao noho izany ka indro avoaka amintsika fiangonana ny vita fanisana hatramin’ny faran’ny volana MAI 2023. Zavatra roa no hangatahina amintsika fiangonana :

FANITSIANA RAHA MISY DISO

FAMPILAZANA RAHA EFA NANAO TARATASY FANISANA KANEFA TSY ANATY LISITRA.

Tsara homarihina fa ny laharana maha-mpandray dia hialohavan’ny Lxxxxx na Vxxxxx.

Raha misy diso ka ilaina fanitsiana dia hiangaviana isika hanao izany anaty taratasy ka soratana aloha ny diso ary soratana eo ambany ny marina. Hapetraka ao amin’ny mpandraharaha avy eo io taratasy io.

Ilaina ihany koa ny manamafy sy manentana antsika hatrany izay mbola tsy nameno taratasy fanisana mba hanao izany satria endrika iray hanamafisanao fa te ho isan’ny mpivavaka ato amin’ny FJKM KATEDRALY ANALAKELY ianao.

Mbola hamafisina koa fa raha mbola mpandray misoratra anarana any amin’ny fiangonana FJKM hafa ianao dia tsy maintsy mitondra taratasy fifindrana. Raha ohatra kosa avy amin’ny fiangonana telo rahavavy, Katolika, Loterana ary Anglikana dia tsy maintsy manatrika fiofanana iray andro. 

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email