FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Voapetraka ara-pombam-piangonana ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël

Nisandratra ny voninahitr’Andriamanitra, izany no azo amintinana ny fandraisan-tànana sy fametrahana araky ny fombam-piangonana ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël ny Alakamisy 18 febroary 2021 lasa teo, izay nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany maraina teto amin’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely.

Tao anatin’ny tetiandron’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely io andro io izay teo ambany fiahian’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano (SPIA). Eny tokoa, ny SPIA no nandray anjara tamin’ny fitarihana  ny fanompoam-pivavahana, izay niarahana niasa tamin’ny Biraon’ny Fitandremana.

Ny FJKM moa dia efa manana ny fombany manokana izay voafaritra ao amin’ny Litorjia FJKM rehefa mandray tànana Mpitandrina. Ny Synodamparitany no miandraikitra ny fanatanterahana sy ny fanajana izany fomba izany. Ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely, izay notarihin’ny komity kosa dia efa vonona fatratra tamin’ny fikarakarana rehetra, nanomboka teo amin’ny fandraisana ny vahiny, ny fikarakarana ny fanompoam-pivavahana ary ny fampisakafoana.

Fotoan-dehibe ny fandraisan-tànana ka nanasàna vahiny maro. Araka ny fanao moa dia nasaina daholo ny fiangonana 125 mandrafitra ny SPIA, amin’ny maha fotoana notarihiny azy. Vory lanona ihany koa ireo Mpitandrina sy Laika eo anivon’ny rafitra rehetra, miatomboka any amin’ny FOIBE FJKM, ireo Departemanta isan-karazany. Ary tsy adino ny fianakaviana izay loharano nipoiran’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël. Raha atambatra dia nahatratra 450 teo ny vahiny nasaina.

Nitohy tamin’ny fampisakafoana ny fanompoam-pivavahana, ka nanasana ireo vahiny ireo. Nasehon’ny Komitin’ny Fandraisan-tànana ny traik’efa nananana amin’ny fampisakafoana satria dia ny hery velona teo amin’ny Katedraly Analakely no nifanome tànana. Nanomboka izany tany amin’ny fahandroana ny sakafo, ny fandaminana ny fitaovana, ny fizarana ekipa nanatanteraka ny fizarana ny sakafo.

Nofehezin’ny Mpitandrina tamin’ny alalan’ny teolojian’ny kodiarana moa ny fotoana. Rehefa miodina ny kodiarana dia tsy ahitana ny pentina mety misy fa saron’ny fiodinan’io kodiarana io daholo. Sarin’ny fahaizana miara- mientana ny kodiarana miodina ka miara-mandroso hanatanteraka ny asan’Andriamanitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email