FJKM KATEDRALY ANALAKELY

KRISMASY 2020 : “Amintsika Andriamanitra”

« Indro, ny virjina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe raha adika : Amintsika Andriamanitra.»

    Io andalan-tsoratra masina nalaina tao amin’ny Filazantsara araka ny fomba fanoratr’i Matio 1:23 io, no nandravaka ny fankalazana ny krismasy teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny taona 2020. Hevitry ny anarana hoe “Imanoela” izy io ary endriky ny fitoeran’Andriamanitra ao anatin’ny olombelona, izay miseho amin’ny alalan’ny TENINY.

    Toy ny fanao isan-taona dia maro ny hetsika nokasaina ho tanterahana mandritra ny volana Desambra, ho fankalazana ny krismasy.

1.      Krismasin’ny zokiolona

    Notontosaina ny Talata 15 Desambra 2020 ny krismasin’ny zokiolona. Fotoana iray nahatsiarovana ireo zokiolona mihoatry ny 65 taona ka hatramin’ny 93 taona eto amin’ny fiangonana. Navahana sy nasaina manokana izy ireo, hanatrika fotoam-bavaka sy hizarana valopy fankasitrahana.

2.      Krismasin’ny Sekoly Alahady

    Nitohy ny Alahady 20 Desambra 2020 ny hetsika, ka ny Sampana Sekoly Alahady no nanatanteraka ny anjarany. Niakatra an-tsehatra daholo ireo kilasy rehetra nanao karazana seho toy ny hira, tantara sy ny dihy. Tsy nahasakana ny sampana, ny fotoana fohy nanomanana izany, eny fa na dia voaterin’ny fahamehana ara-pahasalamana aza. Tena feno ny seho ary hita niavaka ny fety krismasy izay nankalazain’ny ankizy.

3.      Krismasin’ny firaisan-tsampana

    Niavaka kosa ny krismasin’ny firaisan-tsampana tamin’ny taona 2020, izay tanterahana isaky ny faha-24 Desambra. Nisy tsiri-kevitra ka nampitondraina ny lohateny hoe “Krismasy Fampihavanana”. Ny tanjona dia ny fandraisan’anjaran’ny sampana rehetra, ao anatin’ny seho iray, ka tamin’ny alalan’ny famelomana ny tantara nahaterahan’ny Tompo no nanehoana izany. Ny sampanasa AFF no nandrindra sy nandamina, fa nanome tolo-tànana mavitrika kosa ny vaomieran’ny fandaminana misy eo anivon’ny fiangonana.

    Ankoatry ny tantara izay efa hita sy re hatramin’izay, dia nisongadina tanteraka ny fandrindrana an-tsehatra ny tantara, indrindra ireo fanamiana sy fitaovana nampiasaina tamin’izany. Azo lazaina fa fohy dia fohy ny fotoana nanomanana ny seho, kanefa dia toy ireny efa matihanina amin’ny filalaovana tantara an-tsehatra ireny,ireo sampana rehetra. Tao anatin’izany seho an-tsehatra izany koa no namohazana sy nanasongadinana ny fanoloran-tenan’ny tsirairay, satria io antso ho an’ny fanoloran-tena io no namaranana ny hetsika, teo amin’ny fizarana voalohany.

    Fa nasaina manokana kosa I Bodo, mpanakanto malaza eo amin’ny sehatra ny hira, hanafana ny fizarana faharoa sady farany.

4.      Krismasin’ny ankizy

    Ny tolakandron’ny 25 Desambra 2020 no namaranana ny fety krismasy, ka ireo sampana rehetra mitaiza ankizy no nandray anjara, dia ny Tafika Miantsa, ny Seha-pitaizana SAFIF, ny SAMPATI, Rantsana Fanantenana ao amin’ny Sampana Vokovokomanga ary ireo ankizy ao amin’ny Sampana Sekoly Alahady. Hira, senety, tantara no nandravaka ny tolakandro, ary tena hita tokoa fa fetin’ny ankizy.     Tao anatin’izay andro maromaro nankalazana ny krismasy teo amin’ny FJKM Katedraly Analakely izay, no nitondran’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël fa, ny Tenin’Andriamanitra no endrika isehoan’Andriamanitra ankehitriny, ka nanasany ny Kristiana rehetra mba hifikitra amin’izany isan’andro.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email