FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Mihidy ny fiangonana fa miasa ny teknolojia

Mampahatsiahy ahy tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany izay tranga misy izao.

Olana tamin’Andriamanitra ny tsy fahafahana nampitana hafatra tamin’ny mpanara-dia Azy. Nanome vahaolana hatrany Andriamanitra fa ny zava-dehibe dia tafita ny hafatra.

Tsy afaka nifandray tamin’ny Kristiana i Paoly Apostoly, i Jaona, Petera na ireo mpitondra hafatra samihafa dia nampiasa ny teknolojia tamin’izany nampitana hafatra dia ny fandefasana taratasy ho an’ny fiangonana ary ireny no natao hoe EPISTILY, izay mbola handraisantsika hafatra ankehitriny.

Isika koa ankehitriny dia tsy afaka nifandray noho ny antony fiparitahan’ny valan’aretina dia mampiasa ny teknolojia ankehitriny hampitana hafatra dia ny Facebook sy ny site web ary ny téléphone

Ireto ny santionany nilazana izany:

1Jn 1:4 “Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika.
Soratra mitondra fifaliana ho tanteraka – Hafatra mitondra fifaliana ho tanteraka

Ga 6:11 “Indro ny havaventin’ny soratra izay soratan’ny tanako ho aminareo.”
Nataon’i Paoly nivandrandra mihintsy ny sora-tanany. Mariky ny hafanampo. hihihihihh

2Tes 3:17 “Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin’ny epistily rehetra; izao no soratro.”
Tian’i Paoly hahita ny sora-tanany mihintsy ny Mpino rehetra
Noho izany ry havako isany MAHEREZA MANDRAY NY HAFATRA FA IZANY NO MAHAMAIKA NY TOMPO NA AMIN’NY INONA NA AMIN’NY INONA ENDRINY NA MIHAONA NA TSY MIHAONA

RAVELOSOA ANDRIAMAMONJY Nomenjanahary Mickaël
Mpitandrina FJKM Katedraly Analakely

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email