FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Notokanana ara-pomba fiangonana ny FJKM Androtsy Maranata

Tontosa ny Talata 26 novambra 2019 lasa teo ny fanokanana amin’ny fomba ara-piangonana ny FJKM Androtsy Maranata, synodamparitany Toliara Fihavaozana SP33. Ny Filohan’ny FJKM, Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina, ny Filohan’ny Synodaparitany Toliara Fihavaozana, ny fiangonana manodidina an’Androtsy rehetra ary ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fiangonana ary ny kristiana eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely no niaraka nanao izany.

Ny fanorenana ny trano fiangonana FJKM Androtsy Manarata dia tao anatin’ny tetik’asa fitoriana ny Filazantsara ny FJKM Katedraly Analakely ka ny 01 novambra 2018 no napetraka ny vato fehizoro nanamarika ny fiaraha-miasan’ny fiangonana roa tonta. 18 mianadahy ny solontenan’ny FJKM Katedraly Analakely izay nandeha nanatrika ny fanokanana ka ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny Biraon’ny fiangonana no nitarika izany. Naharitra roa taona teo ny fanorenana ary tena nomen’Andriamanitra fahendrena ny mpiara-miombon’antoka rehetra, nanomboka tany amin’ny komitin’ny tao-tranon’ny FJKM Katedraly Analakely, ny Biraon’ny Fitandremana, ireo mpiasa nanorina ny trano ary ny katekista sy ny Mpitandrina miahy ny fiangonana FJKM Androtsy Maranata.

Raha tsiahivina ny tantaran’ny fiangonana dia vokatry ny Tafika Masina, nataon’ny fifohazana, avy eo amin’ny FJKM Ihosy fahazavana izay notarihan-dRamady Albert sy ny SAFIF ka izy ireo no nangataka ny fijoroan’ny FJKM Androtsy. Kristiana tao ihany no nanome ny tany misy ny fiangonana ankehitriny. Hatreo dia niorina ny VOMM (Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka) natao tao amin’ny EPP ka ny Mpitandrina RAKOTONIRINA Andriatsitohaina avy ao amin’ny FJKM Ihosy Fahazavana no nitondra ny fiangonana. Katekista Valdor kosa no mitarika eo ambany fiahian’ny Mpitandrina.

Manana sampana efatra ny fiangonana FJKM Androtsy Maranata dia ny SLK, DORKASY, STK ary Sekoly Alahady. Manodidina ny 120 ny isan’ny mpino ao, mpandray 40 ary Antandroy, Betsileo ary Bara no ankamaroany. Amin’ny maha-fiangonana lavitra azy dia marefo ara-entimanana ny fiangonana.

Tsy mijanona eo ny Fitoriana ny Filazantsara amin’iny faritra iny fa vao maika aza mila hamafisina ka mbola miandry ny fandraisan’anjaran’ny Kristiana rehetra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email