Alahadin’ny Mpitandrina 06 Oktobra 2019

Notontosaina ny Alahady 06 oktobra 2019 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny ankohonany. Andriamatoa RANDRIANARISOA Lovasoa Mpitandrina, izay mitondra ny “poste d’évangelisation” any Bekily no nitarika ny fotoana sy nitondra ny tenin’Andriamanitra. Notsindriny manokana ny anjara-toeran’ny fitiavana […]

Ny Fiaraha-miasa tsara, Matio 26: 6-13

Alahady 29 Septambra 2019 1/ Ny fiaraha-miasa tsara dia mifototra amin’ny fitiavana. Tsy voahozongozon’ny manodidina, na voabaikon’izao tontolo izao. Ny endrim-pitivana dia: – Fitiavana an’i Jesoa Kristy – Fitiavana asa fanompoana – Fitiavana ny manodidina Ny fitiavana no refesin’i Jesoa 2/ Ny fiaraha-miasa dia mifototra amin’ny fanekena ho volavolain’ny tenin’Andriamanitra. Izy Andriamanitra mihintsy no mankasitraka […]

Ny Antson’ny valim-bavaka-Jaona 15:7-8/16

Alahady 22 Septambra 2019 Ny fepetran’ny valim-bavaka : 1/mifototra amin’ny fitiavana :Jesoa no fototra ary isika no sampana. Maka tsiro amin’ny faka aloha ny sampana, mandeha amin’ny vatany. Tokony mitovy ny miainga any amin’ny faka, ny mandalo amin’ny vatany ary ny mamoa. Fitiavana miainga amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra izany. 2/mila mitoetra ao anatinao ny tenin’Andriamanitra : […]