FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FIFANINANA LOGO SY HIRA FANEVA : FAHA-140 TAONA NY SEKOLY ALAHADY

‘’Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo’’
Ho fanomanana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 140 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady eto amin’ny Katedraly Analakely , ny Komitin’ny fankalazàna dia mampanao fifaninanana Hira Faneva sy Sary Famantarana(Na logo).

Toy izao ny andinindininy momba izany :
1.Teny faneva:
‘’Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao.’’ (2Tim. 3:14a)
2.Misokatra ho an’ny kristiana FJKM Analakely ny fifaninanana;
3.Misokatra manomboka ny 10 Septambra 2023 ka hatramin’ny 31 Oktobra 2023 ;
4.Aterina mivantana ao amin’ny Biraon’ny Sekoly Alahady; .
5.Atao anaty valopy kely mitokana ny mombamomba ny mpandray anjara ary atao anaty valopy lehibe mihidy tsara ny asa (Hira na sary famantarana) sy ilay valopy kely;
6.Raha sady mandray anjara amin ‘ny hira no manao sary famantarana ny mpandray anjara dia atao anaty valopy lehibe samihafa ny sanganasa.

Momba ny hira faneva manokana :
• Miainga amin’ny Teny Faneva no hamoronana ny hira;
• Misy andininy telo sy fiverenana ka isaky ny andininy dia ahitana andalana efatra;
• Atao Solfa ny hira. (Tsy asiana anaran’ny mpamorona Solfa);
• Atao anaty CD na flash disk.

Momba ny sary famantarana manokana:
• Miainga amin’ny Teny Faneva;
• Hahitana ny loko famantarana ny Sekoly Alahady FJKM;
• Loko roa ankoatry ny fotsy sy mainty no azo ampiasaina;
• Atao amin’ ny taratasy A4 ny sary.

Raha misy fanampim-panazavana dia azo atao ny miantso ny Komity :
• Atoa RASOANAIVO Lucien Tel. 0 34 00 343 89
• Atoa RANDRIANJOHARY Alain Pierre Tel. 034 14 596 47
Dia manao veloma anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.’’Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra’’ Rom.15 :33

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email