FJKM KATEDRALY ANALAKELY

AZA MATAHOTRA

Toriteny Alahady 02 Janoary 2022
Matio 14 : 24 – 36

“Ary Jesoa niteny taminy niaraka tamin’izay hoe : Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.” Mat.14/27

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, dia ho ampitomboina aminareo mandrakariva hatrany anie ny fahalalana tsara ny momba an’Andriamanintsika, Amena. 

Taona vaovao, taona 2022. Raha fintiniko ny fomba fijerin’ny olona rehetra ny taona 2022 dia izao : taona mampatahotra. Taona mampatahotra satria vao hanomboka ny taona dia efa ampihorohoroin’i ra-Covid ny olona. Vao manomboka ny taona dia efa ampihorohoroin’ny mety ho vokatr’izany ny olona. Inona indray no hitranga ? Confinement sa tsy confinement ? Izany no ady hevitra ngeza be. Ary raha sanatria misy ny confinement, tsy handroso indray ny fiainana ara-toekarena. Ary raha tsy mandroso ny fiainana ara-toekarena, misy fiantraikany any amin’ny fahasalaman’ny posin’ny tsirairay avy. Raha fintinina dia izao : tahotra no manjaka ao anatin’ny olona. 

Fa androany dia manana hafatra ho anareo Andriamanitra. Ny hafatra omena anareo amin’ity alahady voalohany amin’ny taona 2022 ity, dia izay hafatra hiainanareo mandritra ny taona : AZA MATAHOTRA.

1- Aza matahotra fa manatrika anao ny Tompo

Mahafinaritra ny mamaky ity tantara ity satria misy fiantombohany dia misy fiafarany. 

Ny fiantombohany dia mitantara ny fisarahan’i Jesoa sy ny mpianatra : “Ary niaraka tamin’izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesoa ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.” (Mat.14/22)

Fa ny fiafaran’ity tantara ity dia fihin-tànana teo amin’i Jesoa sy Petera : “Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesoa, dia nandray azy ka nanao taminy hoe : Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao ?” (Mat.14/31)

Rehefa tsy teo Jesoa, naniry ny tahotra fa rehefa teo Jesoa, foana ny tahotra. 

➡️ Ny ody tahotra voalohany indrindra dia ny fanatrehan’i Jesoa

Ny antony nahatonga ny mpianatra natahotra dia mitovy amin’ny fototry ny tahotrao androany ihany koa hiatrika ny 2022 : tafasaraka tamin’ny be dia be izany hoe tafasaraka tamin’i Jesoa sy tamin’ny vahoaka (Mat.14/22).

➡️ Mitarika tahotra ny fisarahana amin’i Jesoa sy ny fisarahana amin’ny Fiangonana

Ry havako isany, hiatrika zavatra sarotra amin’ity taona 2022 ity : aretina, toe-karena, sosialy, fiaraha-monina,… Mety hisy zavatra hifamaofao hiteraka tahotra izany rehetra izany. Fa androany, Jesoa miteny aminao hoe : AZA MATAHOTRA.

Tadidio fa manatrika anao eo foana ny Tompo. Izay no Epifania. Ary izay ilay Toriteny tamin’ny taom-baovao : “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.” 

➡️ Tsy misy na inona na inona tokony hampatahotra ahy rehefa manatrika eo ny Tompo

Ny Tompo tsy miteny hoe : “Tonga dia vahako ny problème-nao” fa ny tahotra no hesoriny eny aminao. 

ANTSO 2022 : “Atreho aho Jesoa o, atreho aho amin’ny asa rehetra ataoko. Aza misaraka amiko, dia tsy hanan-tahotra aho.”

2- Aza matahotra fa matokia

Mahavariana ny mahita an’i Petera eto. Petera nahita fahombiazana amin’ny tapany voalohany amin’ity tantara ity. “… Ary hoy Izy : Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jesoa.” (Mat.14/29). Fa amin’ny tapany faharoa izy dobo rano satria nilaozany nijery problème fa tsy nijery an’i Jesoa. “Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe : Tompo ô, vonjeo aho !” (Mat.14/30). Fa be dia be amintsika ireto lany andro mijery problème ! 

➡️ Izao no atao hoe matoky : aza ny problème no atao mavesa-danja amin’ny fiainanao fa Jesoa vahaolana

Rehefa Jesoa no jerenao dia fampaherezana no hitanao fa rehefa ny olana no hitanao dia hatahotra ianao. Eo Jesoa manana hery, fa tsy sahy mangataka Aminy ianao. Fa matoa ianao tsy mangataka Aminy, fieritreretanao Azy izany : tsy mahavita.

HAFATRA : Matokisa an’i Jesoa rehefa manatrika anao Izy.

3- Aza matahotra fa mivavaha

“Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe : Tompo ô, vonjeo aho !” (Mat.14/30).

➡️ Andriamanitra efa miandry anao fotsiny hangataka hoe “Vonjeo aho !” fa isika indraindray miseho azy ho matanjaka hoe “Vitako ny mamàha ny problème an’ny tenako” avy eo nefa dobo. Izany isika indraindray fa tsy miantehitra amin’Ilay Andriamanitra izay azo angatahina ny rehetra, izay vonona hisahirana ho anao mandrakariva. 

Mahafinaritra ny valiny eto : fihin-tànana (Mat.14/31)

➡️ Jesoa tsy mba miahanahana mihitsy mamaly anao raha tena amin’ny fonao no ivavahanao eo anatrehany

Tsy vitan’izany ihany fa na kely aza ny finoan’i Petera dia nanavotra azy ihany Jesoa. 

➡️ Ampiasao ny finoanao na kely aza, fa ho hitanao fa ny Tompo ihany no hampitombo azy

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email