FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HAFATRA TAOM-BAOVAO 2021

Dia mbola hampitomboina aminareo hatrany anie, ry havako isany, ny fahalalàna tsara ny momba an’Andriamanitsika, Amen.

Hafatra telo no omena antsika amin’izao taona vaovao izao ary hafatra miendrika fanontaniana. Ny filazantsaran’I Jesoa Kristy araka ny fomba fanoratr’i Jaona, dia ny Jaona 1:1-5 no hangalatsika izany hafatra izany. Marihana fa hafatra hiainana mandritra ny taona ity fa tsy hoe hiainana androany ihany !

Toriteny taom-baovao 2021

Tena te hiara-honina amin’Andriamanitra marina ve ianao ?

Noresahantsika nanomboka ny faha-20 ny volana desambra 2020 teo ny hoe “Amintsika Andriamanitra.” Foto-pisainan’Andriamanitra ny te hiara-honina aminao, dia mametra-panontaniana aminao izy hoe “Ianao koa ve te hiara-honina Aminy ?”
Raha ENY ny valiteninao, izany hoe tena te hihaona sy hifandray amin’Andriamanitra ianao ary tianao hotanteraka aminao ilay hoe “Amintsika Andriamanitra”, dia izao : ny Teniny no ataovy zava-dehibe fa “ny teny dia Andriamanitra” (Jaona 1:1)

Te hahita zava-tsoa amin’ny fiaraha-monina amin’Andriamanitra ve ianao ?

Tsy hahita zava-tsoa avy amin’Andriamanitra ianao raha tsy mifamatotra amin’ny Teniny aloha ! Tadidio fa fahariana avokoa ny zava-tsoa omen’Andriamanitra anao araka ny voasoratra ao amin’ny Jaona 1:3 hoe “Izy no nahariana ny zavatra rehetra.” Eto ny “Izy” dia Andriamanitra ary efa voalaza etsy ambony fa “ny Teny dia Andriamanitra.” Izany hoe ny Tenin’Andriamanitra no mahatonga fahariana vaovao ho anao.
Ny loza dia izao : satana ihany koa mahay manome. Betsaka ny olona mieritreritra fa nahazo valim-bavaka nefa tsy nihaino Tenin’Andriamanitra akory ! Dia tsarovy fa tsy avy amin’Andriamanitra izany. Tadidio fa io valim-bavaka io dia fahariana hoentin’ny Tenin’Andriamanitra ho anao (vakio Jaona 15:7). Ka raha tena te hahita zava-tsoa avy amin’Andriamanitra marina ianao dia tiavo ny Teniny !

Te handeha amin’ny fahazavana sy hitondra fahazavana ho an’ny olona rehetra ve ianao ?

Rehefa vitanao ilay miara-monina amin’Andriamanitra, ary misy fahariana vaovao foana ao anatinao, dia manomboka eo ianao no atao hoe “Olon’ny fahazavana.” Ny fahazavana dia natao hanazavana ny lalanao aloha voalohany indrindra sy hanazavana ny olona eo akaikinao ihany koa. Ary araka ny voasoratra ao amin’ny Salamo 119:105 dia ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana.
Ny fahazavana dia mahatonga anao tsy ho diso lalana intsony. Tsy vitan’izany ihany fa tarafin’ny olona eny aminao ilay fahazavana, dia mandray fahazavana ihany koa ny olona. Lasa mpizara fahazavana ianao manomboka eo.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email