FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Hafatra taom-baovao 2022 : NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA

Toriteny Sabotsy 01 Janoary 2022
Jaona 1 : 14 – 18

Ry hava-malala rehetra ao amin’ny Tompo, ho ampitomboina aminareo mandrakariva hatrany anie ny fahalalana tsara ny momba an’Andriamanitsika. Amena.

Ny mofon’aina antsika amin’ity anio ity dia ny filazantsaran’i Jesoa araka ny fomba fanoratr’i Jaona (Jao.1/14-18). Raha ohatra ka teneniko amin’ny fomba fiteniko azy ny hevitr’ity teny ity dia izao : déclaration d’amour ataon’Andriamanitra aminao. Vao manomboka ny taona dia Andriamanitra mihitsy no manao fitantaram-pitiavana aminao. Fa ny fanontaniana mipetraka ho antsika dia izao : hanaiky ilay Fitiavan’Andriamanitra ve aho, sa tsy hanaiky ?

Ny Fitiavan’Andriamanitra no lohatenin’izao hafatra voalohan’ny taona izao.

1. Maniry te hiara-monina aminao Izy

Tadidio ry havako isany, fa raha tsy tia anao Andriamanitra dia tsy maniry ny hiara-monina aminao. Fiaraha-monina no mahamaika ny olona tena tia.

« Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika » (Jao.1/14). Tsy namelàn’Andriamanitra raha tsy tanterany ny faniriany. Ary satria atosiky ny Fitiavana Izy dia te hiara-monina aminao, dia Izy mihitsy no nanova ny tontolony nature divine ho lasa nature humaine. Tsy mba fomban’Andriamanitra ny manery na dia tia aza, fa manome safidy izy (Gen.2/8-9). Ka ny fanontaniana ngeza be, raha izany Ilay Andriamanitra tena maniry fiaraha-monina, izaho ve mba tena hanaiky ?

*nonina = nitoetra an-day : ny tranolay entina mifindrafindra, isaky ny mihetsika ianao dia te hanaraka anao foana Andriamanitra.

ANTSO : Tena tian’ny Tompo ianao, fa miangavy anao koa Andriamanitra raha tena tia Azy ianao, atolory ho Azy hatrany ny tenanao fa aza atao kilalao ny fiarahana Aminy.

2. Voarakitra ao anatin’ny Teniny

Rehefa miseho Andriamanitra ao anaty Baiboly, dia miseho amin’ny alalan’ny Teny foana.

Tao amin’ny testamenta taloha, Eksodosy toko 32 hatramin’ny 36, dia nanamboatra ny tabernakely ny zanak’Israely. Natao farany tsara io fitoeran’ny Tenin’Andriamanitra (didy folo) io. Nanamboatra fiaran’ny fanekena ny zanak’Israely avy eo hitondrana ilay tabernakely. Sarobidy loatra araka izany Ilay Andriamanitra miseho amin’ny alalan’ny Teny.

Aty amin’ny testamenta vaovao indray, tsy miova Andriamanitra. Raha Teny Izy tao amin’ny testamenta taloha, mbola Teny Izy aty amin’ny testamenta vaovao. « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika » (Jao.1/14). Io Teny io tsy vitan’ny miara-monina amiko fa tena niditra tato anatiko : « …tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko… » (Gal.2/20). Ny vata-tenako no tabernakely mitondra ny Teny.

Ny fanontaniana dia izao : raha nokolokoloina farany tsara ny tabernakely tao amin’ny testamenta taloha, nahoana ny vata-tenako no tsy kolokoloiko nefa fitoeran’Andriamanitra ?

Ry havako isany, hanomboka ny taona, diniho ny fiarahan-dàlanao amin’Andriamanitra hahatsapanao marina hoe tena tanteraka taminao ve izany Teny tonga nofo izany ary tena niainanao marina tokoa ve ? Fotoana anio handinihanao tena manoloana izany sitrapon’Andriamanitra izany.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email