FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY OLONA NANDRAY NY FANAHY MASINA

PENTEKOSTA FITIAVANA
Toriteny Alahady 23 May 2021
Ezekiela 36, 22-30

1. Miaina ny fiainam-pahamasinana (and. 22)

Te hanamasina ny Anarany izay nolotoina Andriamanitra ka nomeny sy nalatsany tamin’ny olona ny Fanahy Masina. Ireo olona ireo dia havahany satria masina ka mitandrina ny teniny. Io fiainam-pahamasinana vokatry ny fandraisana ny Fanahy Masina io no hanamasina indray ny anaran’Andriamanitra ety amin’izao tontolo izao.

2. Olona voadio (and 25)

Ny Fanahy Masina dia ilay mipetraka eo akaikinao ka mifona ho anao amin’ny fotoana rehetra. (Romana 8, 26). Jesoa Kristy dia mamela heloka fa ny Fanahy Masina kosa no mifona eo amin’ny toeranao. Azo antoka izany fa raha mitoetra ao aminao ny Fanahy Masina dia olona voadio ianao ka mahazo anjara any amin’ny Fiainana Mandrakizay.

3. Mahazo fitahiana (and 29-30 )

Rehefa voadio ianao ka manana ny fiainam-pahamasinana dia mandray ary heniky ny Fitahiana. Noho izany tsy ny fangatahina ny fitahiana no mahamaika fa ny famonjena azo tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy mba handraisanao ny fanomezana dia ny Fanahy Masina. Io Fitahiana io koa no endrika hijoroanao vavolombelona fa efa mitoetra ao aminao ny Fanahy Masina.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email