FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ny olona vita fanekena

Toriteny Alahady 05 Septambra 2021
Genesisy 17 : 9 – 14

Ny lohahevitry ny FJKM amin’izao volana izao dia manao hoe « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny batisa. » Eto am-piantombohana, ny foto-pampianarana protestanta izay mampiavaka ny fiangonana réformée indrindra indrindra ny FJKM dia izao : Tsy famonjena ny batisa fa fiorenana !

Eo amin’ny andininy faha-11 no ahitantsika ny dikan’ny atao hoe Fanekena sy ny dikan’ny atao hoe batisa : « Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. » Misy zavatra anankiroa izany eo. Ny anakiray voalohany indrindra dia ny Fanekena ary izay vita Fanekena dia asiana Famantarana. Araka izany ny batisa dia famantarana fotsiny fa ny tena famonjena dia ny fahatanterahan’ny Fanekena. Ny batisa dia famantarana fa ianao dia vita fanekena, fa tsy hoe ny batisa dia famonjena.

Nisy lehilahy anankiray teo ankilan’I Jesoa, nanao fanekena tamin’izy nohombohana tamin’ny hazo fijaliana. Ny valitenin’I Jesoa taminy ? « Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any amin’ny Paradisa. » (Lio.23/43) Tsy natao batisa izy nefa voavonjy satria vita ny fanekeny. Ary izay ity Gen.17/11 ity, famantarana fotsiny ilay famorana. Raha mamaky ny Kol.2/12-13 isika dia izao : ny famorana tao amin’ny Testamenta Taloha no batisa aty amin’ny Testamenta Vaovao.

Petrak’olana : izay vita batisa rehetra ve dia tena vita fanekena avokoa ?

Ny olona vita fanekena àry dia :

1- Mifaningom-piainana amin’Andriamanitra

Ny dikan’ny hoe Fanekena amin’ny teny hebreo dia ברית [berit] na διαθήκη [diatheke] amin’ny teny grika.

Telo ny dikan’ny berit fa ny voalohany raha atao amin’ny teny frantsay dia « lien, alliance » na fifamatorana. Ny fanontaniana dia hoe : ianao vita batisa io, ianao mpandray fanasan’ny Tompo io, tena mifamatotra amin’Andriamanitra ve ianao ? Fa ny olona mifamatotra amin’Andriamanitra no atao hoe vita Fanekena ary raha mbola tsy vonona ny hifamatotra amin’Andriamanitra, dia aza manaiky hasiana famantarana fa mpisandoka no anaran’izany !

Fa be dia be ny olona diso fifamatorana. Mieritreritra izy fa manaja an’Andriamanitra sy mametraka Azy amin’ny toerany, nefa mpitsoaka an’Andriamanitra noho ny hadalàna izay ataony (police-voleur). Fa ny olona tena manana ilay lien na atao hoe mifaningo-piainana amin’Andriamanitra dia izao : olona tena manana fifandraisam-pitiavana amin’Andriamanitra, tsy terena, tsy vozonana !

Jesoa ry havana, no fototr’io fifamatorana io : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra… » Jao.1/12. Ao amin’I Jesoa irery no ahafahana maka io lien io. Ary izay no nahatonga an’I Jesoa niteny hoe « Ity ny ràko dia ny amin’ny fanekena vaovao » satria io ràn’I Jesoa io no mampifamatotra anao amin’Ilay Andriamanitra Ray. Io ilay fanekena tena izy, fa ny fanontaniana mipetraka, tena nifaningo-piainana tamin’I Jesoa ve ianao mialohan’ny hanaovana famantarana ?

Rehefa tena vita fanekena ianao ka petahana famantarana, dia mivadika ilay lien : police-voleur lasa lien ana zanaka sy ray aman-dreny : « ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. » Lio.3/22. Ny Fanahy Masina no nirahina hanamafy ilay lien « Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. » Rom.8/14.

Antso : Amboary ny fifamatoram-piainana eo aminao sy Andriamanitra. Ho anao izay efa vita batisa sy mpandray fanasan’ny Tompo, nanao ahoana ny fifamatoram-piainanao sy Andriamanitra ? Fa fotoana androany hiverenanao amin’ilay fifamatorana tena izy.

2- Fahanan’Andriamanitra sakafo

Fototeny anankiray ao anatin’ilay berit dia ny teny hebreo hoe בָּרָה [barah] izany hoe raha hadika dia hoe manger, mihinana. Ny dikan’ny filazantsara any amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny teny hebreo dia בָּשָׂר [basar] dia tsy inona tsy akory fa hena. Raha lazaina amin’ny teny malagasy izany ny dikan’ilay berit dia mihinan-kanina ianao. Fa ilay hanina tsy vary sy laoka fa Tenin’Andriamanitra.

Ny olona tena vita fanekena, fahanan’Andriamanitra ny Teniny. Izay ilay andraikitra raisin’Andriamanitra. Fa ny fanontaniana mipetraka : tena tianao ve ilay fahanan’Andriamanitra ? Hoy Jesoa mikasika izany famahanana ny tenin’Andriamanitra izany « Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. » Jao.14/15. Nefa tsy afaka hitandrina ny didny isika raha tsy mianatra aloha.

Ao amin’ny Jao.15/7 dia miteny mihitsy Jesoa hoe rehefa tsy io famahanana io aloha no tanteraka dia tsy hamaly vavaka anao Izy : « Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » Ary Jesoa io teny io satria Izy ilay Teny tonga nofo.

Antso : Ry Fiangonana malalan’i Jesoa o, meteza hivoky tenin’Andriamanitra, meteza hofahanana fa aza ho isan’ny olona malain-komana !

3- Vita velirano

Ny dikan’ny berit fahatelo farany dia pacte na velirano izany hoe samy mandray ny andraikitra tandrify azy Izy Andriamanitra sy izaho manao fanekena Aminy. Misy tombon-tsoa ao ambadik’ilay andraikitra raisina.

Raha hiverenana ny Gen.17/7a « Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao… » dia Andriamanitra mihitsy no manorina ny fanekena. Ny anjaran’ny olona kosa dia mitandrina ny fanekena « Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao… » Gen.17/9a.

I Jesoa dia nitazona ny engagement-ny : « Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy. » Rehefa vitan’Andriamanitra ny engagement-ny ary raisiko koa ny engagement-ko, vita ny velirano, dia izao vita pacte eo anatrehan’Andriamanitra aho satria manana ny fanekena tena izy dia azoko ny famonjena.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email