FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY TENA KRISTIANA AMIN’I JESOA KRISTY

Toriteny Alahady 20 Jona 2021
Matio 23 : 1-12

Raha miresaka izany maha-kristiana izany isika dia samy manana izay hiheverana azy sy hanehoana azy. Asehon’ny tenin’Andriamanitra kosa fa ny maha-kristiana dia tsy entikentim-poana ny anarana, fa tsy maintsy miseho amin’ny toetra sy ny fomban’ny olona iray. Raha milaza izany ny olona anakiray fa kristiana, dia miseho amin’ny toetrany sy ny fomba fiainany izany maha-kristiana azy izany manoloana ny fankatoavany ny tenin’Andriamanitra.

Raha mijery ity tenin’Andriamanitra ao amin’ny Matio ity isika – dia maneho indrindra ny fampitandremana sy fampianarana nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra sy ireo vahoaka nanara-dia Azy – manoloana ny fiainan’ny fariseo sy ny mpanora-dalàna izay voalaza eto amin’izao Soratra Masina izao. Asehon’i Jesoa Kristy fa ny tena kristiana dia tsy manaraka ny toetran’ny fariseo sy ny mpanora-dalàna. Araka izany, ny tena kristiana amin’i Jesoa Kristy dia :

1- Tsy mpitari-bato vilam-bava

Inona no dikan’izany ? Ny zavatra lazain’ny vava hafa, ny atao hafa ! Ny fariseo sy ny mpanora-dalàna dia mpilaza, mpanambara ary mpamaofy ny lalàn’i Mosesy : ny Soratra Masina, ny didy ary ny lalàna sy fitsipika hifehezana izany. Mahay tsara ny didy aman-dalàna ao amin’ny Soratra Masina izy ireo ary hainy ny manazava izany amin’ny olona, fa tsy hainy kosa ny miaina amin’izany.

Eo indrindra no hananaran’i Jesoa Kristy ny mpianatra ary hananarany antsika koa ankehitriny, fa izay milaza fa kristiana dia tsy tokony ho mpitari-bato vilam-bava ! Ny anarana entina, fa ny fiainana tsy izany : mahay mitory sy mananatra fa tsy mahay miaina ny amin’izay hananarana ny hafa. (Mat. 23/1-4)

Raha toetrantsika izany ankehitriny, fotoana maha-mety izao handinihantsika tena, fa ny kristiana tsy mpitari-bato vilam-bava.

2- Tsy tia sehoseho

Toetran’ireto fariseo sy mpanora-dalàna ireto – izay mpitory ny tenin’Andriamanitra – ny misehoseho sy mieboebo. Te hohajaina, te ho amboniana mihoatra noho ny hafa, te hisongadina manoloana ny hafa, te ho hita (Mat. 23/5-7). Raha mbola misy amin’izany isika – hoe “Ny hivavahako, ny maha- kristiana ahy, ny hanaovako an’io dia mba hiseho mihitsy ny maha-izy ahy” – hialao izany !

3- Manana fanetre-tena

Nanarin’i Jesoa Kristy koa ireto mpianatra sy vahoaka nanaraka Azy ireto – hoe raha tena kristiana ianareo, dia manàna fanetre-tena. Aza miady ho lohany, aza miady ho mpitarika, fa izay te ho lehibe aminareo, hoy i Kristy, dia aoka ho mpanompon’izy rehetra. Tsy mba mitovy amin’ny fitondràna eto amin’izao tontolo izao izany. Rehefa nomena fahefana izao tontolo izao, dia hainy ny manapatra fahefana.

 

Ka raha mba napetraky ny Tompo amin’ny toerana avoavo kokoa ianao, amin’ny kristiana izany dia hanompoany ny hafa fa tsy hanindrina ny hafa – hanasoavana ny hafa, fa tsy hamotehana ny hafa ! Ka raha efa nahatanteraka izany fanapara-pahefana izany izaho sy ianao, andeha hialàna e ! Fotoana mbola maha-mety izao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email