FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Toetra dimy ny Kristiana miorina araka ny fomba fijerin’I Jesoa

Toriteny Alahady 07 febroary 2021 – Lioka 5 : 1-11

Ny lohahevitra banjinintsika amin’ity volana ity dia ny hoe « Mampiorina ny mino ny Tenin’Andriamanitra. » Miisa dimy ny toetran’ny Kristiana miorina araka ny fomba fijerin’i Jesoa.

1. OLON’NY ASA

📌 Nisy toriteny nataon’i Jesoa tamin’ny olona aman’arivony (5000) teny an-tendrombohitra.
📌 Be ny olona teny an-tendrombohitra samy te hisisika ho eny aloha ka voatosika i Jesoa dia lasa nihemotra teny amoron-drano, farihin’i Genesareta.
📌 Tsy nisy asa vitan’ireo olona mpanaraka mifanizina ireo
📌 Aleon’i  Jesoa nisafidy ireo olona mpanarato hitany niasa teo amoron-drano

➡️ Ny tadiavin’i Jesoa dia olon’ny asa satria mora ampiorenina ny olon’ny asa

📌 « … minoa Ahy noho ny asa ihany aza. » (Jao 14 : 11) : ny asa mitarika ho amin’ny Finoana ho an’ny olona mpijery fotsiny
📌 « … Izay mino ahy ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, … » (Jao 14 : 12) : mitady olon’ny asa Jesoa

➡️ Raha te ho olona miorina ianao, meteza ho olon’ny asa

2. OLON’NY FAHAIZA-MANOME

📌 « Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa. » Lio 5:11
📌 Nomen’i Petera ho ataon’I Jesoa polipitra ny sambokeliny
📌 Lasa fananam-piangonana ny fananany

➡️ Ny olona tena miorina, dia olona mahay manome

➡️ ANTSO : meteza hanome !

3. OLON’NY FANKATOAVANA

📌 Notsapain’I Jesoa Simona Petera mpanarato

📌« Fa Simona namaly ka nanao hoe : Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. » Lio 5:5

📌 Noho ny tenin’I Jesoa dia narotsak’i Simona ny haratony na dia efa kivy aza izy tsy nahazo na inona na inona ny alina manontolo

➡️ Raha tena te hiorina ianao dia meteza hankatoa izay toriteny henonao

4. OLON’NY FIARAHA-MIASA

📌 Ny olona tena miorina dia olon’ny fiaraha-miasa, izay no mahatonga ilay anarana hoe FIANGONANA
📌 « Ary izy NANATSIKA (= niantso = il a fait un signe) ny namany, izay teo amin’ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. » Lio 5 : 7
📌 Tsy olona nahavita tena irery i Simona fa nipi-maso ny namany hanampy azy

➡️ Ny olon’ny fiaraha-miasa tsy mahavita irery ny asan’Andriamanitra

📌 Izay no mahatonga ny FJKM mampiasa ny atao hoe presbiteriana synodaly ( syn = miaraka, mitovy ; Odos = mandeha)
📌 Synodaly = miara-mandeha

5. OLONA MANAIKY IRAHANA AMPAMOKARINA HO AN’ANDRIAMANITRA

📌 « Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’i Simona. Dia hoy Jesoa tamin’i Simona : Aza matahotra ; hatramin’zao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. » Lio 5 : 10

📌 Mitondra vokatra ho an’Andriamanitra rahatrizay no hataonao

➡️ Fotoana androany hiovanao fo mba havahan’Andriamanitra toa an’i Simona ianao, izay nahitany ny fepetra 5 ny olona atao hoe miorina.

MAHEREZA

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email