NY OLONA HENDRY
Ohabolana 20, 1 – 3 / Alahady 28 jona 2020
21 jona 1835 – 21 jona 2020, feno 185 taona ny Baibolintsika

Nitsingerina ny Alahady 21 jona 2020 lasa teo ny faha 185 taona nahavitana printy voalohany ny Baiboly Malagasy. Niaraka nanamarika izany ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy (FFKM), Fiombonanan’ny Fiangonana Evanjelika ary ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) ka tamin’ny alalan’ny fiaraha-mivavaka izay namohizana ny lohahevitra hoe « Tenin’Andriamanitra, Sakafo Mahavelona ». Tantaran’ny Baiboly protestanta malagasyNy […]
NY FAHARATSIAN’NY FIFANARATSIANA
Matio 5, 25-26 / Alahady 21 jona 2020
NY FIAINAN’NY FIANGONAN’ANDRIAMANITRA
Levitikosy 19, 16-18 / Alahady 14 jona 2020
NY TENA FIANGONAN’ANDRIAMANITRA
Salamo 133 / Alahady 07 jona 2020
FOMBA FAMAHANA OLANA ANY AM-PIANGONANA ARAK’I PAOLY
1 Korintiana 6 – Mofonaina 12 jona 2020
MIVERINA MISOKATRA NY FIANGONANA NY ALAHADY

Taorian’ny fivorian’ny Biraon’ny Fitandremana ny Alakamisy 4 jona 2020 lasa teo dia tapaka fa hiverina hisokatra ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely isaky ny Alahady. Izany dia noho ny fivoahana tsikelikely tao anatin’ny fihibohana izay fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ny valan’aretina. Tsapa tokoa ny fahabangana teo anivon’ny Mpino Kristiana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny amin’ny […]
FENO 125 TAONA NY FIFOHAZAM-PANAHY (9 Jona 1895 – 9 jona 2020)

Tamin’ny 9 Jona 1895, raha niara-nivory tao amin-dRainisoalambo izy 13 mianadahy, ka nihira tamin-kafanam-po sy nifandimby nivavaka ary nandinika ny Soratra Masina, dia nihovitrovitra ny trano. Ary injany nisy feo nanao hoe : «Hamonjy ny oloko Aho, ary ianareo no hitory ny fibebahana aminy». Nilatsaka ny Fanahy Masina, ka nameno azy rehetra. Nitsangana Rainisoalambo, nivavaka, […]
ANDRIAMANITRA FITIAVANA
Alahady Pentekosta 31 may 2020 – Jaona 3, 1 – 8
